Mikà 2 - Malagasy Bible

Ny amin’ireo mpanampatra fahefana

1Lozan’izay manoman-keloka,

sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina;

ka nony maraina ny andro,

dia manatanteraka izany izy

satria misy hery eo am-pelatanany.

2Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany;

na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy;

alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana

sy ny ankohonany

na ny olona mbamin’ny fananany.

3Koa izao no lazain’ny TOMPO:

«Indro Aho manomana loza

hamelezana ny karazan’olona toa anareo;

tsy ho azonareo ialana io loza io,

ka tsy handeha miandranandrana ianareo

satria andron’ny loza izany.»

4Amin’izany andro izany

no hanaovana oha-teny mandatsa anareo,

sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe:

«Levona tanteraka izahay!

Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay!

Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay

ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»

5Noho izany, dia tsy hisy amin’ny taranakareo

hahazo zara tany

rehefa hatao indray ny fizaràna

eo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.

Ny amin’ireo tsy manaiky ny tenin’ny mpaminany

6Hoy ny rediredin’ny sasany amiko:

«Aza be rediredy aminay intsony ianao!

Aoka izay ny rediredy toy ny hoe:

tsy hay sakanana ny fahafaham-baràka.

7Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba?

Malaky tezitra ve ny TOMPO?

Izany ve no fomba fanaony?»

Ny teniko dia feno halemem-panahy

amin’ireo miaina araka ny hitsiny;

8fa hoy kosa ny TOMPO aminareo:

«Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo;

ka ny lehilahy miverina avy any an’ady

sy mandalo tsy manana ahiahy

no endahanareo ny akanjobeny.

9Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako

dia roahinareo hiala amin’ny trano tsy foiny;

esorinareo hiala mandrakizay amin-janany

ny hasambarana nomeko azy.

10Mitsangàna ka mialà,

fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto.

Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana,

dia fandringanana mahatsiravina.»

11Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava

sy mpamoron-dainga ka miteny hoe:

«Lazaiko aminareo fa divay sy toaka

no hatobaka ho anareo»,

dia izy no mpaminany mirediredy

mendrika an’ity vahoaka ity!

Hangonin’ny Tompo izay sisa velona amin’ny Israely

12Hoy ny Tompo hoe:

«Hangoniko tokoa ianareo rehetra,

ry taranak’i Jakôba;

hovorîko tokoa ianareo sisa velona

amin’ny Israely.

Hatambatro ho iray

tahaka ny ondry ao am-balany ianareo,

tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy

no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»

13Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana;

dia hamaky ny vavahady ianareo

ary hivoaka ny tanàna.

Izy TOMPO, mpanjakanareo,

no mandeha mitarika eo alohanareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help