Hamôsa 8 - Malagasy Bible

Ny fahitana fahefatra: ny harona misy voankazo

1Ary izao indray no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona.

2Dia nanontany ahy Izy hoe:

–Inona no hitanao, ry Hamôsa?

Ka novaliako hoe:

–Voankazo masaka iray harona!

Dia hoy ny TOMPO tamiko:

–Tonga ny farany ho an’ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.

3Amin’izany andro hiaviako izany,

ireo vehivavy mpihira ao an-dapa

dia hanao hiram-pisaonana.

ho marobe ny faty

ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza.

Izaho Tompo ANDRIANANAHARY

no manao izany teny hentitra izany.

Ny filàn-tombony tafahoatra ataon’ireo mpijirika no mampidi-doza

4Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra

sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin’ny tany,

5ka velom-panontaniana anakampo hoe:

Rahoviana no hifarana ny fetin’ny tsinam-bolana

ka hivarotantsika vary?

Rahoviana no hifarana ny sabata,

mba hanokafantsika ny sompitra?

Hohakelezintsika ny zinga famarana,

hampitombointsika ny vato fandanjana,

mizàna mandainga no hampiasantsika,

6ary hatramin’ny vary loha-kororoka

no hamidintsika.

Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra,

noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

7Ny TOMPO, Izay reharehan’ny taranak’i Jakôba,

dia nanao fianianana hoe:

«Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay

ny asa ratsy rehetra nataonareo!»

8Noho izany, dia hihorohoro ny tany

ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy;

eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo,

ka hisondrotra sy hietry

tahaka an’i Neily onin’i Ejipta.

9Ny Tompo ANDRIANANAHARY

dia manao teny hentitra hoe:

«Izao no hiseho amin’izany andro izany:

halentiko mitatao vovonana ny masoandro

ary hohamaiziniko antoandro ny tany;

10havadiko ho fisaonana ny fetinareo

ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo;

hosikinako lamba gony ianareo rehetra

sady hosolako loha

ka hataoko tahaka ny olona misaona

zanaka lahitokana;

ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy

no fiafaran’izany.»

11Ny Tompo ANDRIANANAHARY

dia manao teny hentitra hoe:

«Indro avy ny andro

izay handefasako mosary amin’ny tany:

tsy hoe ho mosarena mofo ny olona

na hangetaheta rano

fa haniry mafy handre ny teniko.

12Dia hivezivezy avy any atsimo

ka hatrany andrefana

ary hitotototo avy any avaratra

ka hatrany atsinanana ny olona

mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.

13Amin’izany andro izany, dia ho torana azon’ny hetaheta

ireo tovovavy tsara tarehy mbamin’ny tovolahy.

14Ireo mpianiana amin’ny sampin’i Samaria

sy ireo mpiteny hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Dana!›

na hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Beera-Seba...!›

dia ho lavo ka tsy hiarina intsony.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help