Ezekiela 35 - Malagasy Bible

Loza mananontanona an’ireo Edômita

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha manatrika ny tendrombohitr’i Sehìra ianao, ka mijoroa ho mpaminany ny amin’ny hamelezako azy,

3ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry tendrombohitra Sehîra. Hanamparako ny heriko ianao, ka hataoko rava sy lao.

4Hataoko tonga korontam-bato ireo tanànanao, ry Edôma, ary ho lao ny taninao; ka amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.

5Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin’ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany, dia nataonao ripaky ny ady izy.

6Noho izany, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa hampihosin-dra anao Aho satria fandatsahan-dra no setry hanjohy anao. Noho ianao tsy niahotra nandatsa-dra, dia fandatsahan-dra no setry hanjohy anao.

7Hataoko rava sy lao ianao, ry tendrombohitr’i Sehîra ary haringako izay mandalo any.

8Hofenoiko faty eny an-tendrombohitrao, ry Edôma, ary hiampatrampatra eny an-kavoananao sy eny an-dohasahanao sy eny amin’ny lalan-driakanao rehetra ireo maty an’ady.

9Hataoko taniefitra mandrakizay ny taninao, ka tsy honenana intsony ny tanànanao. Amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.›

10«Noho ny nitenenanao hoe: ‹Ndeha halaiko ho fananana ireo firenena roa sy tany roa, dia i Israely sy i Joda izay samy onenan’ny TOMPO›,

11dia izao no lazaiko aminao: ‹Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa arakaraka ny herisetra sy ny fialonana ary ny fankahalana izay nasehonao tamin’ny Israelita ihany no hataoko aminao. Hampahafantariko ny Israelita ny maha Izaho Ahy, rehefa hanafay anao Aho.

12Amin’izay dia hoekenao fa Izaho TOMPO dia efa nandre ny teny fanarabiana nataonao hoe: ‹Anay ny tendrombohitr’i Israely! Efa rava ireny ka nomena anay hivelomanay!›

13Nanao teny miavonavona nankaloza Ahy ianao, ary efa reko ireo teny maro nanoheranao Ahy.›

14«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Satria nifaly ny taninao manontolo, ry Edôma, dia hataoko taniefitra ho anao izy.

15Faly ianao nahita ny zaratanin’ny vahoaka Israely tonga taniefitra, koa toy izay nanjo azy no hataoko aminao: ho taniefitra ianao, ry tendrombohitr’i Sehîra, izany hoe ry Edôma manontolo. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help