Hamôsa 2 - Malagasy Bible

1Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Môaba,

fa indrindra ity anankiray ity:

Nodorany ho sokay ny taolan’ilay mpanjakan’i Edôma.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

2Handefasako afo ny tanin’i Môaba

ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Kiriôta;

ho faty ao anatin’ny kotaba ny Môabita,

ho faty ao anatin’ny akoran’ady sy ny feon-trompetra.

3Haringako ilay mpitsara ao aminy

ary hovonoiko miaraka aminy koa

ireo manamboninahiny rehetra.

Izaho Tompo no miteny.»

(Joda)

4Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Joda,

fa indrindra ireto:

Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy

ary tsy nitandrina ny didiko

sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy

izay efa notompoin’ireo razany.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

5Handefasako afo ny tanin’i Joda

ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Jerosalema.»

(Israely)

6Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Israely,

fa indrindra ireto:

Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa

mba hamerenana ny volany;

ary namidiny ho andevo ny mahantra

satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

7Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa,

ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra

eo amin’ny fitsarana.

Olona mianaka, dia mifandimby mandry

amin’ny zatovovavy iray ihany

mba hanevatevana ny anarako masina.

8Lamba nomen’ny mahantra ho antoka

no itsilailaizany eny akaikin’ny alitara rehetra eny;

ary divay azo avy amin’ny sazy

no sotroiny ao an-tempolin’ireo andriamaniny.

9Izaho anefa no nandringana ny Amôrita

teo anatrehany,

dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera

ary matanjaka tahaka ny hazo ôaka;

eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.

10Izaho koa no nampiakatra anareo avy tany Ejipta

sady nitari-dàlana anareo efapolo taona tany an-taniefitra

mandra-pahazoanareo ny tanin’ny Amôrita.

11Taoriana dia nisy natsangako ho mpaminany ny zanakalahinareo,

ary nisy nantsoiko ho Nazirita ny zatovonareo;

ka mba tsy izany tokoa ve, ry taranak’i Israely?

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

12Kanjo nampisotroinareo divay ireo Nazirita;

ary ny mpaminany noraranareo

tsy hampita ny hafatr’Andriamanitra.

13Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba anareo.

Indro hataoko mikonainaika eo amin’izay misy anareo avy ianareo

tahaka ny ikonainaihan’ny sarety vesaram-bary.

14Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena,

ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny,

ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.

15Tsy hahajoro ny mpandefa zana-tsipîka,

tsy ho afa-mitsoaka ireo faingan-tongotra,

ary tsy hahavonjy ny ainy ny mpitaingin-tsoavaly.

16Amin’izany andro izany,

na ny mahery fo indrindra

amin’ireo miaramila voafantina aza

dia hanary fiadiana ka handositra.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help