Salamo 50 - Malagasy Bible

SALAMO Hampitandrina ny mpivavaka no isehoan’Andriamanitra

1 Salamo nataon’i Asafa .

Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny

ka miantso ny olona eran’ny tany,

dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro

ka hatrany amin’izay ilentehany.

2Avy ao Tsiôna, tanàna fatratra tokoa,

no amirapiratan’Andriamanitra.

3Tonga ilay Andriamanitray

ka tsy hangina Izy fa hiteny.

Afo mandevona no mialoha Azy,

tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.

4Nidina avy any ambony Izy mba hitsara ny vahoakany,

ka miantso ny tany amana habakabaka hoe:

5«Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina,

dia ireo nanao sorona fanekempihavanana tamiko.

6Aoka hambaran’ny habakabaka fa marina ny Tompo,

sady Izy no ilay Andriamanitra Mpitsara!»

Fiatoana

7–Ry Israely vahoakako, mandrenesa,

fa hiteny aminareo sy hampitandrina anareo Aho,

dia Izaho Andriamanitra Andriamanitrareo.

8Tsy ireo sorona amam-panatitrareo no aniniako anareo:

eo anatrehako mandrakariva ireny rehetra ireny.

9Tsy izay ombilahy ao am-balanareo no halaiko

na izay osilahy ao am-pahitrareo;

10fa Ahy avokoa ny biby any an’ala

sy ny biby fiompy manerana ny tanety;

11fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra

ary Ahy koa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.

12Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao;

satria Ahy ny tontolo sy izay eo aminy.

13Nofon’ombilahy angaha no fihinako

sa ran’osilahy no fisotroko?

14Ny fiderana no ataovy sorona

ho Ahy Andriamanitrareo;

ny voadinareo no efao amiko,

fa Izaho no Avo Indrindra.

15Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho,

fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.

16Fa amin’ny ratsy fanahy kosa

dia izao no lazain’Andriamanitra:

–Ahoana no itanisanisanareo ny didiko

sy itenitenenanareo ny fanekempihavanako,

17ianareo izay mpankahala anatra

sy mpanipy ny teniko any ivoho?

18Raha tojo mpangalatra ianareo, dia miombona aminy;

ny olona mpanitsakitsa-bady no fiarahanareo.

19Mailaka ianareo raha hanaratsy olona,

kinga tokoa raha hiteny fitaka;

20mipetrapetraka ianareo no manebaka namana

sy manendrikendrika ny mpiray tampo.

21Izany ve no ataonareo ka dia hangina Aho

sa heverinareo Aho fa mitovy aminareo?

Horeseko lahatra mihitsy ianareo

ary ny toetranareo hasehoko eo imasonareo!

22Koa hevero izany, ry mpanadino Ahy,

ndrao viraviraiko tsy hisy hanafaka ianareo.

23Ny fiderana no sorona

anomezam-boninahitra Ahy;

ary izay mahitsy fitondrantena

no hanehoako ny famonjeko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help