Ohabolana 24 - Malagasy Bible

1Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy

na maniry hiaraka aminy.

2Fa tsy misaina afa-tsy fandravana ny fony,

ary tsy miteny afa-tsy faharatsiana ny molony.

(anatra faha-20)

3Ilàna fahendrena ny fanorenan-trano,

ilàna fahaizana ny hahamafy azy;

4ilàna fahalalana ny famenoana azy

fanaka soa sy sarobidy ao anatiny.

(anatra faha-21)

5Aleo hendry toy izay matanjaka;

ary aleo manam-pahalalana toy izay mihetraketraka.

6Tetika voarindra no hitondranao ny ady;

ary tolotsaina maro no ahazoam-pandresena.

(anatra faha-22)

7Avo tsy takatry ny adala ireo tenim-pahendrena,

ka tsy mba manoka-bava izy eo am-bavahady.

(anatra faha-23)

8Izay misaintsaina ny hanao ratsy

no atao hoe mpanao tetika maizina;

9ny tetika ataon’ny adala dia fahotana,

ary halan’ny olona ny mpaniratsira.

(anatra faha-24)

10Raha osa amin’ny androm-pahoriana ianao,

dia kely dia kely herim-po tokoa!

(anatra faha-25)

11Aza misalasala mamonjy ireo voaheloka ho faty

kanefa tsy mitombina ny antony amonoana azy.

12Raha hoy ianao hoe: «Tsy fantatro izany»,

dia mahatakatra an-tsaina izany kosa

Ilay mahita ny ao am-po tsy miloaka

ary mahalala izany Ilay mandinika anao;

sady hovaliany araka ny asany avy ny olona.

(anatra faha-26)

13Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany;

ary ho mamy am-bavanao ny tohony.

14Aoka ho fantatrao fa toy izany koa

ny hatsàran’ny fahendrena ho anao.

Koa raha anananao izany, dia hisy ny hoavy handrandrainao

ary tsy ho foana ny fanantenànao.

(anatra faha-27)

15Ry ilay olon-dratsy, aza anaovanao otrika

eo akaikin’ny tranon’ny olo-marina,

ary aza ravanao ny fonenany;

16satria mety lavo impito ny olo-marina,

kanefa tafarina ihany,

fa ny olon-dratsy kosa mianjera

rehefa injay idiran-doza.

(anatra faha-28)

17Aza mifaly, raha lavo ny fahavalonao;

ary aza mibitaka, raha mianjera izy.

18Fandrao hitan’ny TOMPO amin’ny maso ratsy izany,

ka tsy ho tezitra amin’ny fahavalonao intsony Izy.

(anatra faha-29)

19Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy

ary aza mialona ny olon-dratsy;

20fa tsy mba manana hoavy handrandraina ireo

ary ho faty toy ny jiro mitsilopy ny fiainany.

(anatra faha-30)

21Anaka, manajà ny TOMPO ary koa ny mpanjaka;

aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.

22Fa hanjò azy tampoka ny antambo;

ary iza no mahalala izay loza

hataon’ny Tompo sy ny mpanjaka aminy?

Torohevitra hafa omen’ny olon-kendry

23Izao koa dia mbola avy amin’ny hendry:

Tsy tsara ny manao fitsarà-mitanila.

24Izay mpitsara manao amin’ny meloka hoe:

«Tsy manan-tsiny ianao»,

dia hozonin’ny vahoaka

ary hankahalain’ny firenena.

25Fa izay mpitsara manameloka ny diso kosa

dia ho finaritra sy hiantefan’ny laza tsara.

26Porofom-pihavanana tena izy

ny valinteny omena am-pahatsorana.

27Vitao aloha ny asanao any ivelany

ary ataovy vonon-kamokatra ny saha,

vao izay ianao no manangana ny tranonao.

28Aza mety ho vavolombelom-poana

hanameloka tsy amin’antony ny namanao;

sa ianao ve te hamitaka amin’ny teninao?

29Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko,

hovaliako araka ny asany ny olona tsirairay!»

Ny toetoetry ny olona kamo

30Nandalovako, indray andro, ny sahan’ny kamo

sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.

31Indro tsilo sy ahidratsy sisa

no hitako hatraiza hatraiza;

ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.

32Nandinika ny zavatra hitako aho

ka nahazo lesona avy aminy:

33matory kely ianao, rendremana kely,

dia mitsotsotra kely manohon-tanana;

34amin’izay anefa dia hamely anao tampoka

toy ny mpisodisody ny fahantrana

ary toy ny jiolahy ny fahoriana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help