Josoa 20 - Malagasy Bible

Ny tanàna fialokalofana

1Ary ny TOMPO dia nandidy an’i Josoa,

2mba hilaza amin’ny Israelita hoe:

–Fidio ny tanàna fialokalofana araka izay efa nampilazaiko an’i Mosesy taminareo.

3Any no handosiran’izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly faty.

4Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.

5Raha tàhiny manenjika azy ilay mpamaly faty, dia tsy hatolotr’ireo ho eo an-tanany ilay nahafaty olona satria kisendasendra no namelezany ilay namany fa tsy fankahalana azy mialoha.

6Honina ao amin’io tanàna io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin’ny mpisorombe niasa tamin’izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin’ilay tanàna izay nialany fony izy nandositra.

7Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.

8Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.

9Ireo tanàna ireo no natokana ho fialofana ho an’ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin’ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help