Salamo 40 - Malagasy Bible

SALAMO Vavaka fiderana sy fangatahana(40.14-18; jereo Sal 70.2-6)

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2Niandry ny Tompo am-paharetana aho

ka niondrehany ary nohenoiny taraina;

3nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho,

nakariny avy tao amin’ny fota-mandrevo;

ny tongotro najorony tambony vatolampy

ka indro azo antoka sy matotra ny diako.

4Nasiany hira vaovao teo am-bavako,

dia hira fiderana an’Andriamanitsika!

Maro tokoa no hahita izany,

ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.

5Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny

ka tsy mba mirona velively amin’ny sampy

na miandany amin’ny mpanompo andriamani-tsiizy.

6TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa

ny zava-mahagaga izay nataonao;

ka tsy misy azo ampitahaina aminao!

Ary ny hevitra anasoavanao anay

dia maro loatra ka tsy tambo isaina,

tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.

7Nampahafantarinao ahy tsara tokoa

fa tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra;

tsy ilainao ny sorona dorana manontolo

sy ny sorona fanalana ny ota.

8Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy!

Ao amin’ny bokin’ny Lalàna no ahitako

fa voasoratra izay tokony hataoko.»

9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô,

eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako;

ary ny lalànanao dia ato anatin’ny foko.

10Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako

vaovao mahafaly ny amin’ny fanafahanao.

Indro tsy hangina mihitsy aho,

ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,

ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;

ny vahoakanao tafangona amborahako

ilay fitiavanao tsy miova ho anay.

12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;

ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;

mizaka ny vokatry ny heloko aho

sady tsy mahajery azy intsony

noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;

ka ketraka dia ketraka ny foko.

14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!

TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!

15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie

izay olona mitady hahafaty ahy!

Hihemotra sy ho afa-baràka anie

izay olona maniry loza ho ahy!

16Aoka ho ankona safotry ny henatra

ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»

17Izay rehetra mitady Anao kosa anie

hifaly sy hiravoravo amin’ny nataonao;

ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie

hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

18Tompo ô, mahantra sy malahelo aho

nefa Ianao tsy mba manadino ahy.

Mpamonjy sy mpanafaka ahy Ianao,

ka aza ela fa tongava, Andriamanitro ô!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help