Hôsea 12 - Malagasy Bible

Vahoaka nandiso fanantenana hatrany am-piandohana

1Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho

ary mamely fitaka manodidina Ahy

ny firenen’i Israely.

I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra

sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.

2Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma;

ka rivotra no ivokisany amin’izany.

Manao fifanekena amin’i Asiria izy

dia manenji-drivotra avy atsinanana.

Tontolo andro no ampitomboiny

ny lainga sy ny herisetra.

3Manana ady amin’i Joda ny TOMPO.

ka hanafay ny firenen’i Jakôba

noho ny fitondrantenany

ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.

4Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny

no efa nisongona ny rahalahiny;

ary rehefa lehilahy lehibe izy,

dia nitolona tamin’Andriamanitra.

5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy.

Nitomany i Jakôba sady nifona taminy.

Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra

ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

6Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao,

ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,

7no niteny tamin’i Jakôba hoe:

«Miverena amiko Andriamanitrao ianao!

Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny;

ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

8Mizana mandainga

tahaka ny an’ny Kanahanita

no hazoninao, ry Efraîma;

ka tia manambaka ianao

9sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho

ka nahazo fananana be.

Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy

amin’izay asa rehetra nisasarako.»

10Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

hatry ny fony ianao tany Ejipta;

ary hampitoetra anao an-day indray Aho,

tahaka ny tamin’ny andro

izay nihaonako taminao.

11Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay

ka nampitombo ny fahitana;

ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa

no nanaovako fanoharana.

12Raha olona mpanao ratsy tokoa

ny mponin’i Gilehada

ka lasa tsinontsinona,

tao Gilgala kosa omby mifanesy

no natolotra hatao sorona,

ka ny alitarany dia tonga korontam-bato

eny am-bavasahan’ny tanimboly.

13Tany Mezôpôtamia ambony

no nandosiran’i Jakôba;

fa mba hahazoany vady,

dia nanompo olona i Israely.

Eny, lasa mpiandry ondry izy

mba hahazoam-bady.

14Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO

nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta,

ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

15Nampalahelo mafy an’Andriamanitra i Efraîma

ka dia hailiky ny Tompony hianjady aminy

ny vokatry ny ra nalatsany,

ary hatsingeriny hanody azy

ny fanevatevana nataony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help