Jôba 8 - Malagasy Bible

Tenin’i Bildada: mivaly ny ratsy atao na ho ela na ho haingana

1Dia nandray fitenenana i Bildada avy any Soha ka nanao tamin’i Jôba hoe:

2Hafiriana no mbola hitenenanao toy izany?

Ary mandra-pahoviana ny teny aloaky ny vavanao

no hisafotofoto tahaka ny rivo-mahery?

3Moa hampandefitra ny rariny ve Andriamanitra?

Moa hamadika ny fahamarinana ilay Tsitoha?

4Mety ho nanota tamin’Andriamanitra ny zanakao,

dia nampanodiaviny azy ny heloka vitany.

5Raha ianao kosa no mitady an’Andriamanitra

ka manao fitalahoana amin’ilay Tsitoha,

6ary raha tsy manan-tsiny sy mahitsy ianao,

dia Izy no hijoro hiahy anao

ka hamerina indray ny fiadanana

amin’ilay fonenam-pahamarinanao.

7Ary ho bitika ihany izay nosantarinao taloha

raha mitaha amin’ny hoavinao mamirapiratra.

*

8Fa mba anontanio ange ntaolo e!

Ka ianaro izay traikefan’ireo razany.

9Tsy misy zava-pantatsika izay vao omaly,

satria aloka mihelina vetivety ihany

ny androm-piainantsika eto an-tany.

10Ry zareo no hanoro sy hampianatra anao;

ary dia hamoaka ny oha-pitenenana

izay vokatry ny fieritreretany toy ny hoe:

11«Tsy maniry ivelan’ny heniheny ny zozoro,

ary tsy mitombo tsy misy rano ny volotara.

12Vao mamelana fotsiny izy, ary mbola tsy voatapaka;

saingy rehefa tsy mahazo rano intsony izy,

dia malazo alohan’ny ahitra hafa rehetra.»

*

13Izay rehetra manadino an’Andriamanitra

dia toy izany no anjara miandry azy;

ho levona ny fanantenan’ny tsy mpivavaka.

14Fa ho maito ny fahatokian-tenany;

ary ho marefo tahaka ny tranon-kala ny fianteherany.

15Miankina amin’ny tranony izy,

kanjo mihilangilana izany;

mamikitra mafy hitazonana azy izy,

nefa mirodana tsy voatana izany.

16Ny tsy mpivavaka dia tahaka ny hazo

izay feno tsiron-tany sady hazavain’ny masoandro.

ka ny rantsany misandrahaka

eo ambonin’ny tanimboly misy azy.

17Mifanolanolana eny amin’ny korontam-bato ny fàkany

ka tanteraka hatrany an-tsefatsefa-bato any.

18Rehefa ongotana amin’ny toerany anefa izy,

dia handà ho tsy mbola nahita azy akory io.

19Jereo fa izany no fifaliana miandry ny tsy mpivavaka;

ary hisy zava-maniry hafa indray

hitrebona avy amin’io tany io.

20Jereo kosa fa Andriamanitra

tsy manary ny tsy manan-tsiny

ary tsy manome tanana ny mpanao ratsy.

21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao

ary horakora-pifaliana ny molotrao, ry Jôba.

22Fa ho afa-baràka ireo mpankahala anao;

ary hanjavona ny fonenan’ny olon-dratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help