1Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.
Ny Tompo dia Andriamanitra mahatahotra nefa koa tsara2Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO.
Manafay tokoa ny TOMPO
ary mahatsiravina ny fahatezerany;
eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO,
ary mirehi-kavinirana amin’ny fahavalony.
3Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny,
ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka.
Tafio-drivotra mahery no amin’izay alehan’ny TOMPO;
ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.
4Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina;
ataony ritra avokoa ny ony rehetra.
Tonga maina ny ahitr’i Basàna sy i Karmela,
ary manjary malazo ny voninkazon’i Libàno.
5Mihovitrovitra eo anoloany ny tendrombohitra,
ary mihotsaka koa ny havoana;
mihorohoro eo anatrehany ny tany,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.
6Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany?
Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?
Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany;
na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
7Fa tsara ny TOMPO,
fialofana amin’ny andro mahory Izy.
Izy no miahy izay mialoka aminy,
8na dia tonga hanafotra aza ny loza.
Fa potehiny kosa ny fahavalony
ary alefany any amin’ny haizim-pahafatesana.
Hafatra ho an’i Joda sy ho an’i Ninive9Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO?
Fa handringana ny mpamoritra Izy,
ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.
10Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo
izay miboboka mandra-pahamamony
ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.
11Avy tao aminao, ry Ninive, no nipoitra
ilay misain-dratsy hanohitra ny TOMPO
dia ilay lehilahy mpamorona hevi-poana.
12Hoy ny TOMPO amin’ny vahoakan’i Joda:
«Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo,
dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony.
Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.
13Ankehitriny dia homontsaniko
ny ziogam-pahavalo mangeja anareo;
ary hotapahiko ny gadranareo.»
14Ny aminareo kosa, ry mponin’i Ninive,
ny TOMPO dia efa nandidy hoe:
«Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony.
Hopotehiko ao an-tranon’andriamanitrareo
ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika.
Manomana fasana ho anareo Aho,
satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.