Zakarià 13 - Malagasy Bible

1«Amin’izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.»

Hofoanan’Andriamanitra ny sampy sy ny mpaminany sandoka

2«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.

3Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: «Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin’ny anaran’ny Tompo, kanefa dia mandainga.» Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.

4Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby,

5fa samy hiteny hoe: «Tsy mpaminany aho fa mpamboly. Hatramin’ny fahatanorako no efa nananako tany!»

6Ary raha misy manontany azy hoe: «Inona itony ratra amin’ny tratranao itony?», dia hovaliany hoe: «Ratra azoko tany an-tranon’ny namako ireny!»

Ny fanekempihavanana nohavaozina

7Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe:

«Ry sabatra, mifohaza hamely

ity mpiandry sady lehilahy namako ity

Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry;

ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»

8Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon’ny mponina amin’ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.

9Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help