Jôba 3 - Malagasy Bible

NY RESAKA MIFAMALY NATAON’I JOBA SY NY SAKAIZANY TELO LAHY(3-31)Mitaraina i Jôba: inona no antony mbola hahavelomana?

1Niloa-bava ihany i Jôba tamin’ny farany ka nanozona ny andro nahaterahany.

2Nandray fitenenana izy ka nanao hoe:

3Enga anie ka hofoanan’Andriamanitra

ny andro nahaterahako

sy ny alina izay nanao hoe;

«zazalahy no torontoronina»!

4Ho tonga haizina anie izany andro izany,

ka tsy hotsarovan’Andriamanitra any ambony any

ary tsy hisy mazava hamiratra aminy intsony.

5Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy;

ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy

na koa fanakona-masoandro mahatahotra.

6Enga anie ka izany no ho alina maizina indrindra

ka tsy ho tafasisika amin’ny marikandro-taona

ary tsy hiditra intsony amin’ny fanisàm-bolana.

7Ho momba anie izany alina izany

ka tsy handrenesam-pihobiana mihitsy!

8Hanozona azy anie ny mpanozona andro

izay mahay mamoha ilay dragona lehibe!

9Tsy hahita ny kintan’ny maraina

ka hiandry ny mazava tsy ho tonga

ary koa tsy hahatsinjo akory

ny fiposahan’ny mazava atsinanana!

10Satria tsy nahasakana ny hahaterahako izy

sy ny hahitako izao fahoriana izao.

*

11Nahoana aho no tsy maty hatrany am-bohòka,

na tsy niala aina fony vao nivoaka avy tany an-kibo?

12Nahoana no nisy lohalika roa nandray ahy

sy nono roa ninonoako?

13Tahaka izay aho mba nilamina tany am-pasana

ka nandry am-piadanana feizay

14niaraka tamin’ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny tany

izay nanangana indray ny tsangambato efa rava,

15na niaraka tamin’ny andriandahy be volamena

sady manana volafotsy mameno trano.

16Na koa naleoko fotsiny tsy ary

toy ny zaza tsy azo ka nafenina,

dia toy ny zaza tsy nahita mazava.

17Any ny olon-dratsy

no mitsahatra amin’ny fampahoriana

ary any ny reraka no miala sasatra.

18Mahita fiadanana koa ny mpigadra,

ka tsy handre intsony ny antsoantson’ny mpiambina.

19Samy tafakambana any na kely na lehibe

ary ny mpanompo aza dia ho afaka amin’ny tompony.

*

20Nahoana no ataon’Andriamanitra

mahita masoandro ny olona ory

ary ataony velona ireo tototra alahelo?

21Miandry ny fahafatesana tsy ho tonga izy

sady mitady azy fatratra mihoatra noho ny harena.

22Hibita-kafaliana tokoa ireo

sady ravoravo hahazo fasana!

23Nahoana no velona ny olona tsy mahita lalan-kombana

fa toa voahidin’Andriamanitra ho anaty tamboho.

24Eny, toloko hatrany no sakafo fihinako

ka migororoana toy ny rano ny fidradradradrako.

25Izay atahorako ka mampitebiteby ahy

no tanteraka sy mihatra amiko.

26Tsy manam-pitoniana na fiadanana aho,

tsy misy fitsaharana fa tebiteby lava.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help