Salamo 150 - Malagasy Bible

SALAMO Derao ny Tompo

1 Haleloià!

Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny Toeramasiny,

Miderà Azy eo amin’ny habakabaka isehoan’ny fahefàny.

2Miderà Azy noho ny asany mahery,

Miderà Azy noho ny halehibeny tapitra ohatra.

3Miderà Azy amin’ny fitsofana anjomara,

Miderà Azy amim-baliha sy lokanga.

4Miderà Azy amin’amponga sy dihy,

Miderà Azy amin’ny jejilava sy sodina.

5Miderà Azy amin’ny kipantsona madinika,

Miderà Azy amin’ny kipantsona vaventy.

6Aoka ny mananaina rehetra

samy hidera ny TOMPO!

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help