Ohabolana 5 - Malagasy Bible

Fampitandremana amin’ny vehivavy hafa

1Anaka, tandremonao ny tenim-pahendreko

ary anongilano sofina ny tenim-pahalalako,

2mba hitandroanao ny fisainana mazava

ary mba hitenenanao amim-pahaizana.

3Eny, mamy toy ny tantely avy amin’ny tohotra

ny firesaky ny vehivavy ratsy fitondrantena;

ary malama noho ny menaka aza ny fiteniny.

4Nefa ny farany mafaitra toy ny hazo mangidy

ary mandratra hoatra ny sabatra roa lela.

5Fa midina ho amin’ny fahafatesana

ny fizotran’izany vehivavy izany;

ary miafara any amin’ny toeran’ny maty ny diany.

6Tsy manaraka ny lalana ho amin’ny fiainana izy

fa diso lalana tsy mahafantatra izay alehany.

7Koa ankehitriny, anaka, henoinao Aho.

Aza miala amin’ny teniko.

8Halaviro ny lalanao ny vehivavy toy izany

ary aza manakaiky ny tokonam-baravarany,

9fandrao homeny ny hafa ny voninahitrao

ary ho voagejan’izay lehilahy lozabe ny taonanao.

10Ka vahiny no hivoky amin’ny fanananao,

olon-kafa no hitavana amin’ny vokatry ny asanao;

11dia hitoloko ianao amin’ny farany,

rehefa mihaosa ny tenanao ama-nofonao.

12Dia iny ianao fa hilaza hoe:

«Nahoana re no nankahala famaizana aho

sy naniratsira fananarana,

13ka tsy nihaino ny tenin’ireo mpanabe ahy

ary tsy nanongilan-tsofina tamin’ireo mpampianatra ahy?

14Efa saiky rembin’ny faharatsiana isan-karazany aho

ary saiky voailiky ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.»

Tiavo ilay vadinao hatrizay

15Ny vadinao dia tahaka ny loharano madio

sy toy ny fantsakana ho anao; koa misotroa aminy.

16Fa aza avela hikoriana sy hipariaka

eny an-dalambe fotsiny ny ranony.

17Aoka ho anao samirery izany

fa aza ikambanana amin-kafa!

18Hotahina anie izany loharano madio izany,

dia ilay vadinao hatry ny fahatanoranao,

ka mifalia aminy mandrakariva.

19Fa toy ny dieravavy mahatehotia

sy toy ny gazela mahafinaritra ny vadinao.

Hahafeno haravoana anao anie ny hatsaram-bikany

ary hahasambatra anao mandrakariva ny fitiavany!

20Koa nahoana ianao, anaka, no ho raiki-pitia

amin’izay vehivavy vadin’olon-kafa

ka manolo-tena hanafosafo azy?

21Fa izay toetran’ny lehilahy tsirairay

dia eo imason’ny TOMPO hatrany

ka dinihiny avokoa izay izorany.

22Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena,

ka ny fahotany ihany no maningotra azy.

23Ho fatin’ny tsy fahaiza-mifehy tena izy,

ka ho very noho ny hadalàny mihoa-pampana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help