Hôbadià 1 - Malagasy Bible

1Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma.

Ambaran’ny Tompo ny haharava an’i Edôma

Nisy iraka nalefa

ho any amin’ny hafa firenena,

ka renay nanambara

filazana avy amin’ny TOMPO hoe:

«Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana

hanafika an’i Edôma!»

2«Indro ianao, ry Edôma,

fa hataoko osa indrindra eo amin’ny firenena;

ka hotsiratsiraina izaitsizy ianao!

3Ny avonavon’ny fonao no nahavery saina anao!

Mitoetra eny an-tsefatsefaky ny harambato ianao,

faritra avobe no misy ny fonenanao,

ka hoy ianao anakampo hoe:

«Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany ambany?»

4Na dia miakatra ambony tahaka ny voromahery aza ianao

sy mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana,

dia havariko avy eny ianao:

teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

5Raha misy mpangalatra na mpandroba

tonga alina ao aminao,

moa tsy hindaosiny avokoa ve

izay zavatra azony entina?

Indrisy fa fongotra ianao!

Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao,

moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?

6Endrey izany fisavàn’ny olona ireo fanananao,

ry taranak’i Hesao!

Endrey izany fikarohana ny harenao miafina!

7Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao

no mandroaka anao hatrany ivelan’ny sisin-taninao.

Ny olona tsara fihavanana taminao

no mamitaka anao ka naharesy anao.

Ireo niara-nisakafo taminao

no mamela-pandrika eo amin’ny lalan-kodiavinao.

Ka hoy ireo ny aminao hoe:

‹Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy›.

8Amin’izany andro izany manko

no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma

sy ireo matsilo saina

ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao:

teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

9Dia ho raiki-tahotra mafy

ny lehilahy maherinao, ry Temàna;

ka haringana avokoa ny mponina

ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao.

Nanararaotra ny fahavoazan’ny Israelita ireo Edômita ka hosazina

10«Noho ny taranak’i Jakôba rahalahinao

efa nisetrasetranao sy novonoinao,

dia ho safo-kenatra sy haringana mandrakizay ianao!

11Nitsangan-kamely ny Israelita ianao,

tamin’ny andro nandresen’ny vahiny ny tafiny

sy nidiran’ny hafa firenena tao an-tanànany;

fony nozarain’ny vahiny antsapaka

ny fananan’i Jerosalema,

dia niray tetika taminy koa ianao.

12Tsy tokony ho finaritra nijery ireo rahalahinao ianao

tamin’ny andro nahitany loza;

tsy tokony ho nifaly ny amin’ny taranak’i Joda ianao

tamin’ny andro nandringanana azy;

ary tsy tokony ho nanao teny miavonavona ianao

tamin’ny andro nampahory azy;

13tsy tokony ho niditra ilay tanànan’ny vahoakako ianao

tamin’ny andro nandravana azy;

tsy tokony ho finaritra nijery ny fahantràny ianao

tamin’ny andro nandravana azy;

ary tsy tokony ho naninji-tanana haka ny fananany ianao

tamin’ny andro nandravana azy;

14tsy tokony ho namitsaka teo an-tsampanan-dalana ianao

mba hamono izay afa-nandositra taminy;

tsy tokony ho natolotrao ny fahavalo ireo sisa tavela

tamin’ny andro nampahory azy;

15satria efa antomotra ny andro hiavian’ny TOMPO

ka hamelezany ny firenena rehetra.

Amin’izany, dia araka ny nataonao ny hafa

no hatao anao koa;

ary hatsingerina aminao

ny asa ratsinao.

Hanao valifaty amin’i Edôma ny Israelita

16«Ianareo, ry Israelita,

dia efa nisotro ny fahatezerako

teo an-tendrombohitro masina;

toy izany koa no hisotroan’ny firenena azy tsy an-kiato:

eny, hisotro ny fahatezerako izy ka hivembena,

ary dia ho fongana toy ny tsy nisy akory.

17Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela,

ka hanjary masina indray io toerana io;

ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba

ny tanin’ireo naka ny taniny.

18Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo,

ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo;

ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo

ka harehitr’ireo sy holevoniny,

ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao.

Izaho TOMPO no efa niteny!»

Ho eo ambany fahefàn’ny Israelita indray ny faritany manodidina

19Ny mponin’i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr’i Hesao; ny mponin’i Joda, faritr’i Sefelà, no hahalasa ny tanin’ny Filistinina sady hahalasa ny tanin’i Efraîma, izany hoe ny tanin’i Samaria; ary ny taranak’i Benjamîna no hahalasa an’i Gilehàda.

20Ny babo tamin’ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin’ireo Kanahanita hatrany Tsarefàta. Ny babo tamin’ny mponin’i Jerosalema, izay any Sefaràda, no hahalasa ny tanàna any Negèba;

21rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao.

Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help