1 Haleloià!
ALEFAHoderaiko amin’ny foko manontolo ny TOMPO
BETAeo amin’ireo olo-mahitsy
tafavory sy tafangona.
GIMELA2Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO
DALETAka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.
HE3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAOmaharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETAMiantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODAtsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDAfony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.
MEMA7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONAazo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
HAINAmahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.
PE9Nandefasany fanafahana ny vahoakany
TSADEsy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay.
KÔFAAndriamanitra masina sy mahatahotra Izy.
RESA10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena:
SINAmalina tsara izay rehetra mankatò izany.
Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.