1Hafatry ny TOMPO.
Any amin’ny tanin’i Hadràka
no tafapaka ny teniny,
ka niato tao Damasy;
satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama
na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.
2Azy toraka izany ihany koa
i Hamata akaikin’i Damasy
ary ny tanànan’i Tiro sy i Tsidôna
izay misy olona kinga tokoa.
3Ary i Tiro nanao manda mafy ho azy;
volafotsy matevina tahaka ny vovoka no voaangony
ary koa volamena mivongana toy ny fotaka eny an-dalambe.
4Kanefa halain’ny Tompo aminy ireny,
hazerany any an-dranomasina ny màndany
ary ho levon’ny afo ny tanàna.
5Hahita izany ny tanànan’i Askelôna,
ka dia ho raiki-tahotra,
i Gazà koa ho tora-kovitra,
ary i Hekrôna ho very fanantenana.
Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gazà,
ary tsy hisy mponina intsony ao Askelôna;
6mponina safiotra no hipetraka ao Asdôda.
Ka hoy ny Tompo Andriamanitra hoe:
Toy izany no hanafoanako
ny fireharehan’ny Filistinina.
7Hoesoriko eny am-bavany
ny hena tsy nalatsa-dra
na naterina tamin’ny sampy.
Ary ny sisa velona amin’ny vahoakany
dia hanana Ahy koa ho Andriamanitra,
ka hitovy amin’ny iray tarika
ao anatin’ny fokon’i Joda.
I Hekrôna koa hiditra ho vahoakako
toy ny nataon’ireo Jebôsita.
8Hiambina manodidina ny taniko Aho
mba hiaro azy amin’ireo tafika
izay mihaodihaody mandalo;
ka tsy hisy intsony hamaky eo
hampahory ny vahoakako
fa efa hitako ankehitriny ny fahoriany.»
Ilay mpanjaka izay hampitoetra ny fiadanana9Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna!
Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema!
Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;
marina sady mandresy Izy,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,
dia boriky tanora zana-borikivavy.
10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy
ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady
Hopotehiny ny tsipîkan’ady
ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy.
Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray
ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa,
ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata
ka hatrany am-paran’ny tany.
Ny fanafahana ireo mpigadra11Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna,
noho ianareo nanaovako fanekempihavanana
izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona,
no efa namoahako ny mpigadranao
toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.
12Miverena ao an-tanàna mimanda,
ry mpigadra manam-panantenana!
Anio no anambaràko aminareo hoe:
Fanambinana avo roa heny
no hanonerako ny fahorianareo.
13Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda,
ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany.
Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao
hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika;
toy ny sabatry ny mpiady mahery
no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»
14Ary ny Tompo hiseho
eo ambonin’ny vahoakany;
ka hipoitra toy ny tselatra
ny zana-tsipîkany
Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY
ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.
15Ny Tompon’izao rehetra izao hiaro ny vahoakany;
ka havandra vaventy no halefany
hamotika sy hanorotoro ny fahavalony;
dia hataony mikoriana ny ran’ireo
ka hampiely ny ran’ny fahavalony
mova tsy tahaka ny divay,
na koa tahaka ny ram-biby atao sorona
izay mameno ny tsangambava famafazana
sy mandrakotra ny zoron’ny alitara
.16Amin’izany andro izany ny vahoakany
dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny,
ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy;
ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra
no hamirapiratany eo amin’ny taniny.
17Akory ny fahasambarany!
Ary akory ny hatsaran-tarehiny!
Vary sy divay vaovao
no hampaharoroka finaritra
ireo zatovolahy sy zatovovavy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.