Salamo 10 - Malagasy Bible

LAMEDA

1Nahoana Ianao, TOMPO ô,

no mijanona eny lavitra eny?

Ary nahoana Ianao no miery

amin’ny androm-pahoriana?

2Mirehaka erỳ ny olon-dratsy

mitsentsitra ny malahelo;

tamina tetika maty paika

no namelezany azy ireo.

3Mibitaka erỳ ny olon-dratsy

fa mahazo izay nirîny;

kanefa ny TOMPO tsiratsirainy

sady hamavoiny tokoa.

4Ny olon-dratsy mirehareha hoe:

«Tsy hanadina Andriamanitra,

tsy misy Andriamanitra.»

Izany no ambentin-keviny.

5Mahomby mandrakariva ny zavatra ataony,

vingavingainy avokoa izay manohitra azy,

tsy tazany ny fitsaran’Andriamanitra.

6Hoy ny olon-dratsy anakampony:

«Tsy misy atahorako akory,

fa ieren-doza hatrany aho.»

PE

7Ozona sy fitaka ary hafetsena

no mameno ny teny lazainy;

fampahoriana sy faharatsiana

no zavatra tiany hambara.

8Mamitsaka hanotrika eny akaikin-tanàna izy

ary mamono an-katakonana ny tsy manan-tsiny;

HAINA

ny masony mitily ireo fadiranovana.

9Manotrika an-katakonana tokoa izy

toy ny fanaon’ny liona ao am-pierena;

manotrika hisambotra ny malahelo izy

ka mitarika azy ho ao anaty haratony.

10Torotoro ny malahelo fa resy mihitsy

ka mianjera ho eo ambany fahefàny.

11Dia hoy ny olon-dratsy anakampony:

«Tsy raharahain’Andriamanitra izany

sady ikimpiany fa tsy mba jereny

ary tsy hitany na oviana na oviana!»

KÔFA

12TOMPO Andriamanitro ô, mirotsaha an-tsehatra.

Ahinjiro ny tananao hanafay ny olon-dratsy

ka aza hadinoina re ireo malahelo.

13Nahoana moa ny olon-dratsy

no haneso Anao Andriamanitra,

ka hiteny anakampo hoe:

«Tsy hanadina ahy Izy!»?

RESA

14Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra,

ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao;

Ianao no itokian’ny malemy,

sady mamonjy ny kamboty.

SINA

15Koa poteho ny herin’ny olon-dratsy,

adino aminy ny ratsy nataony

ary aoka izy tsy ho hita soritra intsony!

16Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay;

ho fongotra amin’ny taniny ny mpanompo sampy.

TAO

17TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo

ka ampaherezinao tokoa ny fony.

18Vonon-kihaino hatrany

ny kamboty sy ny ampahorîna Ianao

mba hanomezanao azy ny rariny.

Dia ho foana tanteraka hatreo

ny mpanjakazaka etỳ an-tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help