Salamo 108 - Malagasy Bible

SALAMO Tiako hofohazina ny mazavatsinanana(108.2-6; jereo Sal 57.8-12; 108.7-14; jereo Sal 60.7-14)

1 Tononkira. Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko;

ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.

3Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,

fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.

4TOMPO ô, vory vahoaka no hiderako Anao;

ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,

5satria lehibe mihoatra noho ny lanitra ny fitiavanao

ary avo tafapaka amin’ny rahona ny toetranao mahatoky.

6Andriamanitra ô, misandrata Ianao

ho any an-tampon’ny lanitra;

aoka anie ny voninahitrao

hamiratra amin’ny tany tontolo!

7Vonjeo amin’ny herinao aho ary valio vavaka,

dia ho afaka ilay vahoaka malalanao.

8Tao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe:

«Faly tokoa Aho fa hizara an’i Sekema

sy ny lohasahan’i Sokôta ho an’ny vahoakako;

9Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase;

i Efraîma no toy ny satro-by fiarolohako;

i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko;

i Edôma hanipazako kapa ho fananako;

i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»

11Iza no hampiditra ahy ho eo anivon’i Edôma?

Zovy no hitondra ahy ho amin’ilay tanàna mafy?

12Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra ô?

Kanefa izahay efa narianao mihitsy

ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13Ampio re izahay hiady amin’ilay mpandrafy,

fa tsy mankaiza ny famonjena ataon’ny olona.

14Andriamanitra no hahazoanay fahombiazana goavana,

satria Izy no hanitsakitsaka ireo mpandrafy anay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help