Isaià 30 - Malagasy Bible

Politika melohin’Andriamanitra

1Lozanareo zanaka maditra, hoy ny TOMPO!

Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny;

manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko.

Heloka ampiana heloka izany.

2Tsy manontany Ahy akory ianareo

nefa mandeha midina any Ejipta

mba hitady fiarovana amin’ny Farao

sy fialofana eo ambany alok’i Ejipta.

3Hivadika ho henatra ho anareo

izany fiarovan’ny Farao izany,

ary ho fahafaham-baràkanareo

ny fialofana eo ambany alok’i Ejipta,

4na dia efa any Tsôhàna aza ny lehibenareo

ary tonga hatrany Hanesy ny masoivohonareo.

5Izy rehetra samy ho diso fanantenana

amin’io firenena izay tsy hahasoa azy io,

firenena tsy hahavonjy na hahasoa azy akory,

fa handiso fanantenana sy hitondra latsa aza.

Ireo mividy famonjena any Ejipta

6Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba.

Faritra mampahory sy mampitebiteby

sady misy liona masiaka mierona

ary koa menarana sy dragona manidina

no indro vakivakîn’ny olona

ka itondrany harena sy zava-tsoa

eny an-damosin’ny boriky

sy eny ambony trafon’ny rameva

hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.

7Tsinontsinona sy zava-poana ny famonjen’i Ejipta;

koa izany no iantsoako azy hoe:

«Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona».

Fampitandremana ho an’ny ho avy

8Hoy kosa ny Tompo tamin’i Isaià:

«Ankehitriny, ndeha soraty amin’ny fafana izany

eo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema,

ka ataovy raki-tsoratra ho vavolombelona

haharitra hatrany amin’ny andro ho avy.

9Fa vahoaka maditra izy ireo, zanaka mandainga,

tsy mety mihaino ny fampianaran’ny TOMPO.

10Hoy izy amin’ireo mpahita hoe:

«Aza manam-pahitana ianareo»;

ary amin’ireo mpaminany hoe:

«Aza maminany zava-marina aminay,

fa izay mahafaly anay ihany no lazao.

Maminania nofinofy aminay.

11Mivilia lalana ianareo

ary mialà amin’izay voasoritra;

atsaharo ny miteny eo anatrehanay

an’ilay Masin’i Israely».

Firodanana tsy azom-panafana

12Koa izao no lazain’ilay Masin’i Israely:

«Satria lavinareo izany teniko izany

fa aleonareo mitoky amin’ny tsikombakomba

sy miantehitra amin’ny hafetsifetsena,

13dia ho toy ny triatra amin’ny manda

no haterak’izany heloka izany aminareo:

miseho aloha ny mivohitra,

ary tampotampoka eo dia mirodana.

14Lasa potipotika ilay manda

toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga,

izay voadona ka montsamontsana:

tsy hahitana intsony na dia silany iray

mba hangalana vainafo ao am-patana

na hanovozan-drano ao an-kamory.»

Mitonia ianareo ka matokia Ahy

15Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY,

dia ilay Masin’i Israely:

Ho voavonjy ianareo,

raha miverina amiko sady milamina;

hahery ianareo,

raha tony sy matoky Ahy.

Kanefa tsy mety ianareo,

16fa mamaly hoe: «Tsia, fa hiriotra izahay,

hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay.»

Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo,

saingy hitsoaka handositra.

Hoy koa ianareo hoe: «Haingam-pandeha

ny kalesy hitaingenanay.»

Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo

dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.

17Fahavalo iray monja no mandrahona,

dia hampandositra ny arivo aminareo;

ary raha misy dimy aminy no mandrahona

dia handositra avokoa ianareo rehetra.

Ka singantsingany no sisa ho velona aminareo,

tahaka ny famantarana eny an-tampon-tendrombohitra

na tahaka ny faneva tavela eny amin’ny havoana.

Ny androm-pamonjena

18Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO

hahazoany miantra anareo,

mbola hirotsaka an-tsehatra Izy

hamindra fo aminareo,

satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO;

sambatra izay rehetra miandry Azy.

19Ary ianao, ry vahoakan’i Tsiôna

izay monina ao Jerosalema,

tsy hitomany intsony ianao.

Fa hiantra anao tokoa ny Tompo,

raha vao mandre ny antsonao;

eny, hamaly anao Izy raha vao mandre.

20Homen’ny Tompo anao ny mofo sy rano

amin’ny andro ampahoriana sy amoretana anao;

Izy tokoa no mpampianatra anao

ka tsy hiafina aminao intsony,

ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.

21Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao,

dia ho renao avy aoriana izao teny izao:

«Ity no lalana ka araho».

22Hoheverinao ho zava-maloto

ny sampy voasokitra mifono volafotsy

sy ny sarivongana voarakotra volamena,

ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko

ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»

23Handrotsaka ranonorana ny Tompo

ho an’ny voa izay nafafinao any an-tsaha,

ka ny sakafo hovokarin’ny tany

dia sady ho betsaka no hatsiro.

Amin’izany andro izany, ny biby fiompinao

dia hiraoka amin’ny kijàna midadasika.

24Ny omby sy boriky miasa tany

dia hihinana vilona voaisy sira

sady voaparitaka amin’ny farango fikororohana.

25Amin’ny andron’ilay fandringanana goavana,

rehefa hianjera ireo tilikambo,

dia samy hisy renirano mikoriana

eny an-tendrombohitra manerinerina

sy eny amin’ny havoana miteronterona.

26Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO

ireo ratra nanjo ny vahoakany

sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy,

ny fahazavàn’ny volana

dia ho tahaka ny an’ny masoandro,

ary ny fahazavàn’ny masoandro

dia hamiratra ho impito heny

raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.

Tonga hanafay an’i Asiria ny Tompo

27Indro ny tenan’ny TOMPO mihitsy

no tonga avy any lavitra any,

ombàn’ny fahatezerana mirehitra sady midonaka.

Mipololotra fahavinirana ny molony,

ka toy ny afo mandevona ny teniny.

28Toy ny rano tondraka ny fofonainy

ka manafotra hatreny an-bozona.

Tonga ny TOMPO hanivana ny firenena

amin’ny sivana fandravana,

ary koa hanisy lamboridy

amin’ny valanoranon’ny vahoaka.

29Fa ianareo ao Jerosalema kosa hihira toy ny fanao amin’ny alina fankalazana ny fety ary hiravoravo am-po toy ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitry ny TOMPO, ilay Vatolampin’i Israely.

30Hataon’ny TOMPO re tokoa

ny feony heni-piandrianana

ary hataony hita ny fiantraikan’ny tanany mamely,

rehefa mirehitra ny fahatezerany

eo anivon’ny firedaredan’ny lelafo mandevona

ary ao anatin’ny ranonoram-baratra

sy ny havandra vaventy mifafy.

31Dia ho raiki-tahotra ny Asirianina,

rehefa handre ny feon’ny TOMPO

sady hokapohiny amin’ny tsorakazo.

32Ny kapoka isanisany hamelezan’ny TOMPO azy

dia hiasa ho famaizana azy.

Harahina ampongatapaka sy lokanga ary dihy koa

ny hetsi-tanana hiadian’ny Tompo aminy.

33Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana,

ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany.

Faritra boribory, malalaka sady lalina,

no namoriana kitay betsaka handrehetana afo;

ary dia ny fofonain’ny TOMPO,

izay toy ny riakan-tsolifara miredareda,

no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help