Mikà 1 - Malagasy Bible

1Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.

Miampanga ny vahoakany ny Tompo

2Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra.

Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy!

Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo

mba ho vavolombelona hiampanga,

dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.

3Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany,

ary midina ka mandeha eny am-paratampon’ny tany;

4miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra

tahaka ny savoka taninin’ny afo;

ary loadoaka ny lohasaha

tahaka ny rehefa misy riaka

mivarimbarina eny an-kilahila.

5Nikomy tamin’Andriamanitra ny taranak’i Jakôba,

eny, nanota ny vahoakan’i Israely

,

ka mahatonga izany rehetra izany.

Fa iza no nampikomy ny taranak’i Jakôba?

Moa tsy i Samaria renivohiny ve?

Ary iza no toeram-panasinana ao Joda?

Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?

6Noho izany, dia hoy ny Tompo hoe:

«Hataoko antontan-korontam-bato eny an-tsaha i Samaria,

hataoko tany fambolena voaloboka;

ary havariko any an-dohasaha ny vatony,

ka hampihanjahanjaiko ny fototra iorenany.

7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra

hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony

ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra;

satria tambin’ny vehivavy janga

no nanangonany azy,

dia hanambazana vehivavy janga

any an-kafa indray ireny.»

Mahatratra an’i Jerosalema ny loza

8Hoy kosa i Mikà hoe:

Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho,

ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro.

Hikonainaina toy ny amboadia aho

ary hikiakiaka toy ny vorombe;

9satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria

fa mitatra hatrany Joda aza,

ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema

izay tanànan’ny mpiray firenena amiko.

10Aza ambara any Gata izany

fa tazony ny ranomasonareo!

Ry mponina ao Bety-Hafrà,

mihosinkosena amin’ny vovoka ianareo.

11Ry mponina ao Safira,

mandehana hatao sesi-tany

ombàn-kenatra sady tsy mitafy.

Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna.

Misaona ny ao Bety-Etsela,

ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.

12Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany

ny mponina ao Marôta,

satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema

ny loza avy tamin’ny TOMPO.

13Ry mponina ao Lakisy,

rohizo amin’ny soavaly haingam-pandeha

ny kalesy handosiranareo;

satria naka tahaka ny fahadisoan’i Israely ianareo,

ka nahatonga ny mponina ao Tsiôna hanota.

14Noho izany, ry mponina ao Tsiôna,

afoizo i Môreseta-Gata;

ny tanàna Akziba dia toky manodoka

ho an’ny mpanjakan’i Israely.

15Mpanafika handresy anareo

no halefan’ny TOMPO aminareo,

ry mponina ao Maresà,

ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama

ireo filoha tabihan’i Israely.

16Hetezo ny volonareo ary kakaso ny lohanareo,

ry mponina ao Tsiôna;

halehibiazo ho tahaka ny an’ny fanindry

ny sola eo an-dohanareo,

noho ny amin’ireo zanaka malalanareo:

satria nentina ho babo lavitra anao izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help