1 Salamo nataon’i Davida. Hitaomana an’Andriamanitra hahatsiaro azy .
2TOMPO ô, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho;
eny, vinitra amiko Ianao nefa aza sazîna aho.
3Nitsatohan’ny zana-tsipîkanao aho,
ary niantefan’ny tehamaina famaizanao.
4Tsy misy tsy marofy ny nofoko noho ny fahatezeranao;
tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
5Fa mivangongo mihoatra ny lohako ny heloko
toy ny enta-mavesatra tsy zakako mihitsy.
6Maimbo sy mandoaka ny feriko
noho ny hadalàko ihany;
7mitanondrika sy manjoretra loatra aho,
manjonitra tontolo andro, toa misaona.
8Mahamay voan’ny tazo ny tenako
ka tsy misy tsy marofy ny nofoko.
9Reraka aho ary drodroka tanteraka;
mitoloko ny foko ka midradradradra aho.
10Tompo ô, hitanao tokoa izay irîko,
tsy miafina aminao ny sentosentoko;
11miemponempona ny foko, lany hery aho,
ary efa jambena mihitsy ny masoko.
12Ny sakaizako sy ny olon-tiako aza
mihataka ahy noho ny aretiko;
ary ny havako manao tazan-davitra.
13Ireo maniry ny ahafatesako mamela-pandrika;
ireo mitady hanisy ratsy dia miteny hasomparana,
sy mamorom-pitaka isan’andro hamelezana ahy.
14Fa toy ny marenina aho ka tsy mahahaino,
ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
15Eny, tahaka ny olona tsy mandre aho
ka tsy mba manana teny havaly.
16Ianao, TOMPO ô, no antenaiko;
Tompo Andriamanitro ô, Ianao no hamaly.
17Fa izao no vavaka nataoko taminao:
«Aza avela ho fanesom-pahavalo aho;
ary aoka tsy hirehaka ireo,
raha sendra mivoana ny famindrako!»
18Efa mila ho torana mihitsy aho
ary ny fanaintainako tsy miala amiko.
19Eny, miaiky ny fahadisoako aho
ary matahotra noho ny amin’ny otako.
20Mahery ireo mandrafy ahy tsy amin’antony,
maro no mankahala ahy tsy an-drariny.
21Valiany ratsy ny soa nataoko
ary ampangainy aho satria manao ny tsara.
22TOMPO ô, aza ilaozanao aho;
Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy.
23Faingàna hamonjy ahy,
ry Tompo Mpamonjiko ô.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.