Ezekiela 7 - Malagasy Bible

Manambara ny fanimbana farany ny Tompo

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Mihainoa ianao, ry ilay taranak’olombelona. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia milaza izao amin’ny tanin’i Israely: «Injao no farany; mby akaiky ny farany ho an’ny vazan-tany efatra eo aminao tokoa ry tanin’i Israely.

3Ankehitriny no farany ho anao: hampihariko hamely anao ny fahatezerako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenany ny mponinao ka hovaliako aminy avokoa ny asa maharikoriko rehetra nataony.

4Tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy, fa hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany sy ny asa maharikoriko izay mbola tohiziny eo anivonao. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»

5Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro fa avy ny loza, dia loza tsy misy toa azy!

6Injao no farany; mby akaiky ny farany, ry tanin’i Israely. Mifoha hiantonta aminao izy, indro fa avy tokoa.

7Ry mponina amin’ny tanin’i Israely, mby akaiky ny faharavana hanjo anareo, tonga ny fotoana, antomotra ny andro fitsarana. Sahotaka no hisolo ny horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.

8Izao ankehitriny izao no hanosahako ny fahatezerako aminareo ka hanamparako ny fahavinirako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenanareo ianareo ary hovaliako aminareo ny asa maharikoriko rehetra nataonareo.

9Tsy ho antra fijery anareo Aho ary tsy hamindrafo aminareo, fa hovaliako aminareo ny fitondrantenanareo sy ny asa maharikoriko izay mbola tohizinareo eo anivonareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mikapoka anareo.

10«Indro ny andro fitsarana, ary mby akaiky sady miseho lany ny faharavana. Mitombo ny hetraketraka ary mahazo vahana ny avonavona.

11Ny herisetra dia toy ny tsorakazo arangaranga hanafaizana ny haratsiana; koa tsy hisy tavela intsony eo aminareo na ny hamaroanareo na ny harenareo na ny zava-kantonareo.

12Tonga ny fotoana ary akaiky ny andro fitsarana: aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.

13Ny mpivarotra tsy hiverenan’ny entany intsony na dia mbola velona aina aza. Ny fahitana manambara ny loza hanjo ny vahoaka rehetra manko dia ho tanteraka. Samy miaina anaty heloka ny olona tsirairay ka tsy hisy hotafarina.

14Hotsofina ny anjomara ary hatao ny fiomanan-kiady, fa tsy hisy olona handeha hiantafika satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.»

Tsy hisy olona ho afaka amin’ny famaizana

15«Hirongatra eny an-dalambe ny ady, ary ao an-trano kosa ny areti-mandringana sy ny mosary. Ho fatin’ny ady ireo olona any an-tsaha, ary ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana ireo any an-tanàna.

16Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.

17Hiraviravy tanana daholo izy

ary halemy lohalika avokoa.

18Hisikina lamba fisaonana izy

ka ho safotry ny horohoro.

Hisoritra henatra ny endrika rehetra

ary ho voaharatra avokoa ny loha rehetra.

19Hariany eny an-dalambe ny volafotsiny

ary hataony toy ny tain-drendrika ny volamenany

satria na ny volafotsy na ny volamena

dia samy tsy hahavonjy azy

amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO.

Tsy hahafa-po azy na hahavoky azy izany

satria ny volafotsy sy ny volamena

no tonga fototry ny heloka ataony.

20Ny firàvany tsara tarehy

dia niteraka avonavona tao aminy

ka nisy namboarany sarivongan-tsampy

maharikoriko sy mahatsiravina.

Izany no nanaovako ireny firàvany ireny

ho zavatra mankaloiloy azy.

21Havelako horobain’ny vahiny koa ireny

sy hofaohin’ny olon-dratsy ho babo

rehefa avy nozimbazimbainy.

22Hiamboho tsy hiraharaha azy Aho

ka ilay raki-tsoako no hozimbazimbainy;

fa hiditra ao ny jiolahy

ka hanimbazimba azy.

23Manamboara rojo fandrohizana

fa feno vonoan’olona ny tany

ary feno herisetra ny tanàna.

24Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe

mba haka ny tranon’ny mponina.

Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery

ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.

25Ho avy ny tebiteby;

hitady fiadanana izy fa tsy hisy.

26Hifanesy tonga ny antambo

ary hifanindry ny filazana loza.

Ny mpaminany hitakiana fahitana fa tsy hisy;

ny mpisorona tsy manana fampianarana intsony

ary ireo loholona tsy manome tolo-kevitra.

27Hisaona ny mpanjaka,

tototra hakiviana ny andriana

ary hangovi-tanana ny vahoaka.

Hovaliako araka ny fitondrantenany izy

ary hotsaraiko araka ny sahaza azy.

Amin’izay dia hoeken’ireo

fa Izaho no TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help