Deoterônômy 24 - Malagasy Bible

Ny vady nariana

1Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.

2Rehefa niala ny trano ravehivavy, dia lasa nanambady olon-kafa.

3Mety tsy tia an-dravehivavy intsony ilay lehilahy faharoa nanambady azy ka manoratra taratasy fanariam-bady sy manolotra izany eo an-tanany ary mampiala azy ao an-tranony; na koa mety maty izany lehilahy faharoa nanambady azy izany.

4Ilay lehilahy voalohany nanambady azy ka nanary azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, satria efa voaloto ravehivavy ho azy sady zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO izany. Aza atao tototra heloka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.

Ny zatovo vao nampaka-bady

5Rehefa misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handehandeha hiantafika izy ary tsy hampanaovina raharaham-bahoaka; fa havela izy hitoetra herintaona ao an-tranony ka hampifaly ny vady izay vao nampakariny.

Ny antoka

6Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.

Ny fangalana olona handevozina

7Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin’ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.

Ny aretin-koditra

8Mitandrema ny amin’ny aretin-koditra isan-karazany, ka imasoy fatratra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra hatoron’ireo Levita mpisorona.

9Tsarovy izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’i Miriama teny an-dalana, fony ianareo niala tany Ejipta.

Ny amin’ny antoka ihany

10Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.

11Mijanòna ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano.

12-13Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo.

Fitandroana ny zon’ny mpikarama mahantra

14Aza ampahorînareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan’ny mpiray firenena aminareo izy na anisan’ny vahiny eo amin’ny taninareo sy ao an-tanànanareo.

15Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain’ny fony. Aoka tsy hitaraina amin’ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany.

Samy tompon’andraikitra amin’ny ataony

16Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ny isam-batan’olona.

Fepetra itsimbinana ny mahantra

17Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.

18Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

19Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’ny asa rehetra ataonareo.

20Rehefa ahintsanareo sy angoninareo ny ôlivanareo, dia aza miverina hioty izay ôliva sisa tavela; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

21Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

22Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help