1Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariôsa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.
2Ny mponin’i Betela dia efa naniraka an’i Saretsera sy i Regema Melèka mbamin’ny olony hifona amin’ny TOMPO.
3Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe:
–Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay?
4Koa nisy baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao
5nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe:
«Hatramin’izay fitopolo taona izay,
raha nifady hanina sy nitomany
tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo,
moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
6Ary raha nihinana sy nisotro ianareo,
moa tsy ho an’ny tenanareo va
no nanaovanareo izany?»
7Fahiny efa niteny toy izany tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin’i Jerosalema sy ny tanàna manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak’i Sefelà.
8-9Ary nisy baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hampahatsiahivako izay efa nambarany hoe:
«Manaova fitsarana marina ianareo,
samia mifankatia sy mifamindrafo.
10Ary aza mampahory
ny mpitondratena na ny kamboty,
na koa ny vahiny na ny mahantra.
Aza mba mihevitra hanisy ratsy ny namany.»
11Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.
12Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny diamondra izy ka tsy nety nihaino ny fampianaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia ny teny izay nampilazan’ny Fanahiny tamin’alalan’ny mpaminany fahiny. Noho izany tezitra mafy ny Tompon’izao rehetra izao,
13ka nanao hoe:
«Satria tsy nety nihaino izy
rehefa mba nanao antso avo taminy Aho,
dia tsy mba nihaino azy kosa Aho
rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.
14Fa naeliko ho any amin’ny firenena isan-tokony
izay tsy fantany akory izy.
Tany lao no sisa navelany taoriany,
ka tsy nivezivezen’olona intsony.
Ary ilay taniny nahafinaritra iny
dia nataony tonga taniefitra.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.