Ohabolana 7 - Malagasy Bible

Aoka tsy ho voasodokan’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady

1Anaka, tandremonao ny teniko

ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.

2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao;

ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.

3Ataovy toy ny peratra amin’ny rantsan-tananao ireo

ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.

4Hevero toy ny anabavinao ny fahendrena

ary toy ny havanao ny fahalalana;

5ireo no hiaro anao amin’ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady

dia vehivavy hafa mpanao teny manangoly.

6Raha teo am-baravarankelin’ny tranoko aho

no mba nitazantazana indray andro,

7dia nahita tovolahy maromaro;

ary tamin’ireo no nisy anankiray kely saina,

8dia tanora maivan-doha izay nandeha tamin’ny lalana

akaikin’ny fonenan’izany vehivavy izany

ka nizotra nankany an-tranony.

9Efa somambisamby ny takariva tamin’izay

ary efa manakaiky ny alina sy ny haizina.

10Indro tamy nitsena azy ilay vehivavy

sady nanao fitafin’ny mpivarotena

no feno hafetsifetsena ao am-po.

11Sahisahy sady tsy mahatombin-tsiraka izy

ka tsy mety tafapetraka ao an-tranony.

12Fa mbetika eny an-dalambe, mbetika eny an-kianja

no mamitsaka miandriandry izy

eny amin’ny zoron-trano rehetra eny.

13Dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy

ary nisolantsolana nilaza taminy hoe:

14«Efa nivoady tamin’Andriamanitra aho

fa hanatitra sorom-pihavanana;

ary androany no nanefako izany.

15Koa nivoaka ny tranoko hitsena anao aho;

te hahalala anao aho, ka dia nahita anao.

16Ny fandriako efa novelarako firakotra,

dia lambam-pandriana avy any Ejipta

17ka nasiako miora sy alôesy

ary kanelina hanamanitra azy.

18Andeha isika hivoky fitia mandra-paharain’ny andro

ka hiara-mankafy ny fahafinaretana vokatr’izany.

19Fa tsy ao an-trano ny vadiko

fa lasa nandeha lavitra.

20Kitapo feno vola no nentiny, ka tsy hiverina izy

raha tsy fenomanana indray ny volana.»

21Teny mamy no nandreseny lahatra ilay tovolahy

ary resaka manodòka nataony no nitaomany azy.

22Koa nanaraka an-dravehivavy teo no ho eo izy

tahaka ny ombilahy entina hovonoina:

adala voafatotra toy izany izy no hofaizina

23mandra-pitsatoky ny zana-tsipîka amin’ny fony;

tahaka ny vorona miriotra mankamin’ny harato izy,

ka tsy mahalala fa hahafaty azy izany.

24Koa ankehitriny henoinareo aho, rey anaka,

ary tandremo tsara ny teny aloaky ny vavako.

25Aoka tsy ho babon’ny vehivavy toy izany ny fonareo,

ary aza mania mankany amin’ny sakeli-dalany.

26Fa maro no efa naratrany ka simbany

ary tsy tambo isaina ireo rehetra efa matiny.

27Ny tranony no lalana ho amin’ny toeran’ny maty,

dia lala-midina any am-ponenan-dRafahafatesana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help