Matio Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana Hita ao amin’ny Vaovao Mahafaly araka an’i Matio ireo soritra vaventy nandaharan’i Marka ny azy.

–Hafatra ampitain’i Jôhany Mpanao batisa (3.1–12).

–Atao batisa ary alaim-panahy i Jesoa (3.13–4.11).

–Asan’i Jesoa any Galilea: manao antso avo ny Fanjakàn’ny lanitra Izy, mampianatra ny vahoaka ary manasitrana ny marary (4.12–18.35).

–Miakatra ho any Jerosalema i Jesoa (toko 19–20).

–Asan’i Jesoa ao Jerosalema mandritra ny herinandro fotsiny; amin’ny farany dia melohina ho faty Izy ary vonoina, kanjo mitsangana velona tsy araka ny fanampoizana ary miseho amin’ireo mpianany (toko 21–28).

Kanefa misy sasin-teny lava (toko 1–2) atokan’i Matio hamisavisan-javatra momba ny fiavian’i Jesoa sy ny fahaterahany ary ny fahazazàny. Amin’izany, dia efa asongadin’i Matio sahady ny tena vontoatin-javatra momba ity Jesoa hozohiny manerana ny Vaovao Mahafaly atolony ho antsika ity: i Jesoa no Ilay Mpanjaka sy Mpamonjy nampanantenaina, ary koa ilay «Himanoela» (Andriamanitra miaraka amintsika), sady amin’ny alalany no anatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nambarany mialoha ao amin’ny Testamenta Taloha (na Fanekempihavanana Taloha).

Ny mampiavaka ihany koa ny Vaovao Mahafaly araka an’i Matio dia noho izy manambatambatra ny ankamaroan’ny fampianarana nataon’i Jesoa ao anatin’ny lahateny dimy: 1) Ny «toriteny tany an-tendrombohitra» (toko 5–7), izay mamelabelatra ny toetra lavorary tokony harahin’ireo olona anisan’ny Fanjakàn’ny lanitra. – 2) Ny hafatrafatra aroso manokana ho an’ireo tsy maintsy manambara fa tonga ny Fanjakàn’ny lanitra (toko 10). – 3) Ny maha zava-miafina ny Fanjakàn’ny lanitra, antitranterina amin’ny fanoharana fito: miafina io Fanjakàn’ny lanitra io ankehitriny, kanefa hanetriketrika ny fandreseny rahatrizay (toko 13). – 4) Ny fifampitondrana sy fiainana maha mpiray tampo ao amin’ilay fiaraha-monina vaovao antsoina hoe Fanjakàn’ny lanitra (toko 18). – 5) Ny fomba fiandrasana ny hahatanterahan’ny Fanjakàn’ny lanitra izay tsy maintsy handresy amin’ny farany (toko 24–25).

Ao amin’ny Vaovao Mahafaly araka an’i Matio àry, dia aseho fa i Jesoa mihitsy no ilay Mpampianatra mivelona sy mitory eo anivontsika ny fiaraha-monina vaovao isantarana ny Fanjakàn’ny lanitra; ary i Jesoa ihany koa no manolotra ho an’izay rehetra miditra ao amin’io Fanjakàn’ny lanitra io ny fampianarana ilainy mba hijoroany ho vavolombelona eo anatrehan’ireo mbola tsy mahalala.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help