Hôsea 9 - Malagasy Bible

Mofom-pisaonana

1Ry Israely ô! Aoka izay

ny fetim-pifaliana mihoa-pampana

toy ny fanaon’ireo firenen-kafa.

Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao

tamin’ny fivarotan-tena nataonao

sy tamin’ny fitiavan-karama maloto

teny am-pivelezam-bary rehetra teny.

2Tsy hahafa-po anao anefa

na ny vary eo am-pamoloana

na ny menaka eo am-pamiazana;

ary ny divay vaovao andrasanao

dia handiso fanantenana anao.

3I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony

eo amin’ny tanin’ny TOMPO;

fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy

na hankany Asiria hihinan-java-pady.

4Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy

mba ho fanatitra ho an’ny TOMPO;

tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny;

ho toy ny mofom-pisaonana

amin’izy ireo izany,

ka ho voaloto avokoa

izay mihinana azy.

Hahavoky azy ihany ny mofony

fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ny TOMPO.

5Inona kosa no hataonareo

amin’ny androm-pankalazana manetriketrika,

dia amin’ny andro fetin’ny TOMPO?

6Rehefa tonga ny fandringanana

ka mihahaka ny vahoaka,

dia hanangona anareo i Ejipta;

saingy Memfisa no ho fasanareo.

Ho lovan-tsongosongo

ny fana-bolafotsinareo sarobidy

ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.

7Tonga ny andro famaizana.

Tonga ny andro famaliana.

Ho fantatr’i Israely anie izany!

Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany;

ary mirediredy ny tsindriam-panahy.»

Vokatry ny hamaroan’ny helokao

sy ny fanohera-mafy nataonao izany.

8Miaraka amin’Andriamanitro

ny mpitily ho an’i Efraîma,

dia ilay mpaminany.

Amelaram-pandrika izy

amin’izay alehany rehetra;

ary fanoherana no afitsoka azy

hatrany an-tranon’Andriamanitra.

9Nihoa-pampana ny faharatsianareo

toy ny fahiny tany Gibehà.

Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo,

ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.

Diso fanantenana ny Tompo

10«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra

no nahitako an’i Israely,

tahaka ny aviavimbazaha

masaka aloha indrindra

no nahitako ny razanareo.

Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy,

dia nanokan-tena ho amin’ny henatra

ka tonga maharikoriko

toy ilay Bahala notiaviny ihany.

11Ankehitriny ny voninahitr’i Efraîma

dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina;

ka tsy hisy zaza teraka intsony,

na zaza entina am-bohoka

na zaza torontoronina akory aza.

12Na dia misy mitaiza zanaka aza izy,

dia hoesoriko aminy ireny,

ka tsy hisy miangana.

Eny, hahita loza koa izy

amin’ny handaozako azy.

13I Efraîma, araka ny hitako,

dia manao ny zanany ho toy ny fihaza

ka mamela azy hisehatra

ny mpamono azy ho faty.»

14TOMPO ô, inona no sazy

mba homenao azy?

Ataovy momba sy tsy afa-mampinono

ireo vehivavy ao aminy!

15«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo,

no niseho ny haratsiany isan-karazany.

Tao no nanombohako nankahala azy.

Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako

noho ny ratsy izay nataony.

Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho;

mpikomy avokoa ny filohany rehetra.

16Voavely i Efraîma:

maina ny fàkany

ka tsy hamoa intsony izy.

Na dia miteraka aza

ny vehivavy ao aminy,

dia hataoko maty ihany

ny malala naloaky ny kibony.»

17Harian’ilay Andriamanitro izy

satria tsy nihaino Azy,

ka dia ho tonga mpirenireny

any amin’ny hafa firenena any.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help