Salamo 48 - Malagasy Bible

SALAMO Ny tanànan’ilay Mpanjaka lehibe

1 Tononkira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra .

2Lehibe ny TOMPO Andriamanitsika,

hany ka mendrika hoderaina fatratra

ao an-tanànany, ao an-tendrombohiny masina.

3Tsara fideza ny tendrombohitra Tsiôna

sady fifalian’ny vahoaka eran-tany:

tendrombohitra fonenan’ny Tompo,

tanànan’ilay Mpanjaka lehibe.

4Ao an-dapany ao Andriamanitra

no miseho ho fiarovana avo.

5Indreny mpanjaka mivorivory,

dia miara-mandroso hamely an’i Tsiôna;

6kanjo nahatazana, dia nidonàka,

nangorohoro ka riatra nandositra.

7Nihovotrovotra foana teo izy ireo,

nanaintaina toa vehivavy hiteraka;

8mova tsy ny rivotra avy any atsinanana,

izay mahapotika sambo goavana,

no nifofofofo nianjady taminy.

9Araka ny henonay no mbola hitanay

ao an-tanànan’ny TOMPOn’izao rehetra izao,

ao an-tanànan’ilay Andriamanitray!

Izy Andriamanitra no mampijoro azy hatrany.

Fiatoana

10Eto anivon’ny tempolinao, Andriamanitra ô,

no ametsovetsoanay ny fitiavanao.

11Hatrany am-paran’ny tany ny lazanao,

ka hatrany koa no hiderana Anao.

Feno fahamarinana ny tananao ankavanana;

12ary, noho ny fitsarana ara-drariny navoakanao,

dia aoka hifaly ny olona ao an-tendrombohitra Tsiôna,

aoka hiravo ny mponina ao an-tanànan’i Joda!

13Mitanjozora manodidina an’i Tsiôna

ka isaonareo ny tilikambony,

14banjino tsara ny màndany,

ary diniho fatratra ny lapany;

dia ho azonareo tantaraina

amin’ny taranaka any aoriana

15fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay,

ary Izy mihitsy no hitantana antsika hatrany hatrany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help