Ohabolana 2 - Malagasy Bible

Ny fahendrena, harena miafina

1Anaka, raisonao ny teniko

ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.

2Henoy ny teny ataon’ny fahendrena

ka ampiezaho ny fonao hahay manavaka.

3Mangataha fanampiana amin’ny fahalalana,

miantsoa famonjena amin’ny fahaiza-manavaka.

4Fa raha tadiavinao toy ny fitady volafotsy ireo

ary katsahinao toy ny fikatsaka harena nafenina.

5dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO

ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.

6Fa ny TOMPO no manome ny fahendrena;

ary avy amin’ny vavany no mipoitra

ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.

7Mampahomby ny olo-mahitsy Izy

ary toy ny ampinga fiarovana

ho an’izay mandeha tsy misy tsiny.

8Miaro ny lalan’ny fahamarinana Izy

ary miambina izay mpifikitra aminy.

9Raha mihaino Ahy ianao,

dia ho fantatrao ny marina sy rariny

ary hizoranao avokoa ny lalam-pahasambarana.

10Ho tonga ao am-ponao ny fahendrena,

ary hampifaly anao ny fahalalana,

11hiaro anao ny fahamalinana

ary hiambina anao ny fahaiza-manavaka;

12ireo no hampiala anao amin’ny toe-dratsy

sy amin’ny olona miteny fitaka

13na mandao ny sori-dàlam-pahitsiana

mba hizotra amin’ny lalan’ny haizina,

14dia ny olona faly manao ratsy

sady finaritra amin’ny famitaha-namana,

15miolikolika sori-dalana

ka mivaona amin’ny fitapitaka.

16Ny fahamalinana sy fahaiza-manavaka

no hampiala anao koa amin’ny teny mandrobo

fanaon’ny vehivavy izay vadin’olona,

17dia vehivavy nandao ny vadiny

sy nanadino ny fifanekena

izay nataony teo amin’Andriamaniny.

18Mitondra amin’ny fahafatesana

ny toetran’izany vehivavy izany,

ary mankany amin’ny fahaverezana

ny fitapitaka ataony.

19Izay mankao amin’izany vehivavy izany

dia tsy misy afa-miverina intsony

ary tsy mihazo ny lalan’ny fiainana.

20Noho izany, ny toetran’ny tsara fanahy no hizoranao

ary ny sori-dalan’ny olo-marina no hotandremanao.

21Fa ny olo-mahitsy sady tsy manan-tsiny

no honina amin’ny tany sy hitoetra eo.

22Ny olon-dratsy sy ny mpivadika kosa

hofongorana amin’ny tany sy ho voaroaka tao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help