1«Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsatsara mpanjaka, izaho Daniela dia nahazo fahitana indray taorian’ilay hitako teo aloha.
2Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.
3Dia nampifantoka ny masoko hijery aho ka indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ilay renirano sady nanana tandroka roa. Lava ireo tandroka ireo, nefa ilay nitsimoka taoriana no lava kokoa noho ny anankiray.
4Hitako ilay ondrilahy fa nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo, ka tsy nisy biby nahatohitra azy ary tsy nisy naharombaka izay tao an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy sady nitombo hery hatrany.
5«Raha mbola nieritreritra ny amin’izany aho, dia indro nisy osilahy iray nipoitra avy any andrefana ka nitety ny tany manontolo, nefa tsy nikasi-tany akory; nanana tandroka tokana goavana izy teo anelanelan’ny masony.
6Ary izy io dia nankeo amin’ilay ondrilahy nanana tandroka roa izay hitako nitsangana teo amoron’ny renirano, ka niantoraka taminy araka ny firongatry ny heriny.
7Ary hitako izy tafapaka teo akaikin’ilay ondrilahy, dia nisafoaka taminy ary namely azy ka nahamontsana ny tandrony roa; tsy nanan-kery hoenti-manohitra azy intsony ilay ondrilahy ka dia natrosony tamin’ny tany sady nohosihoseny; ary tsy nisy naharombaka ilay ondrilahy teo an-tanany.
8Ary nitombo fatratra ny herin’ilay osilahy; saingy nony efa tena natanjaka izy, dia tapaka ilay tandrobeny, ka nisy tandroka efatra goavana nipoitra nisolo azy nifanandrify tamin’ny vazan-tany efatra.
9«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.
10Nitatra hatreny amin’ny tafiky ny lanitra aza izy; ka nazerany tamin’ny tany ny ampahan’izany tafika izany mbamin’ny kintana sasany izay nohitsakitsahiny.
11Ary nitatra nihantsy hatramin’ilay Filohan’izany tafika izany aza izy, ka nanafoana ny sorona fanao isan’andro aminy sady nanimbazimba ny fiorenan’ny Toeramasiny.
12Ary natolotra hanamparany halozana izany tafiky ny lanitra izany ary koa ny sorona fanao isan’andro. Dia nazeran’io tandroka io tamin’ny tany kosa ny fahamarinana; ary nahomby izy tamin’izay nataony.
13Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»
14Dia namaly azy ny anjely voalohany hoe: «Mandritra ny 2 300 maraina sy hariva, ary avy eo dia haverina amin’ny laoniny indray ny Toeramasina.»
Ny hevitry ny fahitana faharoa15«Izaho Daniela kosa, raha mbola teo am-pijerena izany fahitana izany ka nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy tahaka ny endrik’olona anankiray nijoro teo anoloako.
16Ary nandre feon’olona teo afovoan’ny renirano Olay aho, dia feo niantso azy nanao hoe: ‹Ry Gabriela, hazavao amin’ity lehilahy ity ny fahitana niseho taminy.›
17Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›
18Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy.
19Avy eo dia hoy i Gabriela tamiko: «Indro hampahafantariko anao izay hiseho amin’ny fotoana voatendry hiafaran’ny fahatezeran’Andriamanitra.
20Ny ondrilahy izay hitanao nanana tandroka roa dia manondro ny fanjakana medianina sy persianina.
21Ny osilahy lava volo dia manondro ny fanjakana grika; ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22Rehefa tapaka ilay tandroka, dia nisy efatra naniry nandimby azy, izany hoe hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’io fanjakana tokana io saingy tsy hanan-kery toa azy.
23Ary amin’ny fiafaran’ireo fanjakana ireo, rehefa hihoa-pampana ny otan’ireo mpanota, dia hitsangana ny mpanjaka iray mpirehareha sady fangoloka.
24Hitombo hery hatrany izy, kanefa tsy avy amin’ny herin-tenany. Hanao fanimban-javatra mampitolagaga izy ary hahomby amin’ny hataony; haringany ireo mahery sy ireo olona voatokana ho an’Andriamanitra.
25Noho ny hafetseny dia hamitaka ny hafa izy, ary noho ny avonavon’ny fony dia handringana olona maro mihevi-tena handry feizay; hitsangana hanohitra ny Tompon’ny Tompo, nefa kosa ho torotoro tsy kasihin-tanana akory.
26Ary ny fivoasana momba ny hitanao ny amin’ny maraina sy hariva dia marina tokoa; saingy ahorony hiafina aloha izany fahitana izany, satria mbola ho amin’ny andro ela izany.
27Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.