1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin’ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin’ny tany,
ary Azy koa ny tampon’ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.
6Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!
7Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa
vahoaka fiandriny, andian’ondry tarihiny.
Koa enga anie ianareo anio
mba hahahaino ny feony manao hoe:
8«Aza manamafy ny fonareo
tahaka ny nataon’ny razanareo tao Meribà
tamin’ny zava-nitranga tao Masà, tany an-taniefitra.
9Fa nihantsy sy nitsapa Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asa nataoko aza.
10Efapolo taona no nahatofoka ahy izany taranaka izany,
ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo,
ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.
11Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe:
Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.