Salamo 62 - Malagasy Bible

SALAMO Andriamanitra irery no iadanako

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’i Jedotòna filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitra irery no iadanako;

avy aminy ny famonjena ahy.

3Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,

fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4–Ianareo kosa, mandra-pahoviana

no hifarimbona hamely olona

ka hiara-mioko handrodana azy

ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?

5Ny hany itadiavanareo hanongana azy

dia satria izy manana toerana ambony.

Fitaka no zavatra mba maminareo:

am-bava mirary soa, fa am-po manozona.

Fiatoana

6Andriamanitra irery no iadanako

satria Izy mihitsy no antenaiko.

7Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,

fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

8Miankina amin’Andriamanitra

ny famonjena ahy sy ny voninahitro;

Andriamanitra no Vatolampy

ianteherako mafy sy fialofako.

9–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany,

atosahy eo anoloany ny fiahianareo

fa Izy Andriamanitra no fialofantsika.

Fiatoana

10Tsio-drivotra mandalo ihany

ny sarambabem-bahoaka;

rendrarendra foana koa

ireo olona manan-kaja;

raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta,

dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.

11–Aza mitoky amin’ny fanaovana an-keriny,

aza miankina amin’ny fangalarana.

Raha mitombo fananana ianareo,

aza mba miraiki-po amin’izany.

12Izao no tenin’Andriamanitra

fandreko matetika: «Ahy ny hery!»

13–Tompo ô, Anao ihany koa ny fitiavana;

sady Ianao no mamaly ny olona

araka ny asa nataony avy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help