Salamo 86 - Malagasy Bible

SALAMO Ianao no antsoiko amin’ny androm-pahoriako

1 Vavaka nataon’i Davida.

TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao

ka valio aho fa ory sy mahantra.

2Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho.

Mpanomponao aho ka matoky Anao,

vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.

3Tompo ô, mba iantrao aho

fa miantso Anao tontolo andro.

4Ampifalio re aho mpanomponao

satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.

5Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka,

be fitia amin’izay rehetra miantso Anao.

6Mba henoy, TOMPO ô, ny vavaka ataoko;

ka ho tandrinao anie ny fitarainako.

7Amin’ny androm-pahoriako,

Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao

amin’ireo andriamanitra;

tsy misy mahavita ny vitanao.

9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,

ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy

ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,

10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;

Ianao ihany no tena Andriamanitra.

11TOMPO ô, toroy ny lalanao aho

mba handehanako araka ny fahamarinanao,

ataovy tokam-po aho mba hankatò Anao.

12Tompo Andriamanitro ô,

hoderaiko amin’ny foko manontolo Ianao

ary homeko voninahitra mandrakizay,

13satria lehibe ny fitiavanao ahy;

fa izaho no efa nafahanao

tsy ho lasa any an-davaka,

any amin’ny toeran’ny maty any.

14Olona mpiavonavona no mitsangan-kamely ahy

andian’olon-dozabe no mitady hahafaty ahy;

Ianao, Andriamanitra ô, tsy raharahainy akory.

15Kanefa Ianao, Tompo ô,

dia Andriamanitra mamindrafo sy miantra,

mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana.

16Mba itodiho aho ka iantrao;

omeo ahy mpanomponao ny herinao,

ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao.

17Omeo porofo aho fa tsara fo Ianao;

dia ho menatra ireo mpankahala ahy,

rehefa mahita fa Ianao, TOMPO ô,

no mamonjy sy mampionona ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help