Salamo 90 - Malagasy Bible

BOKY FAHEFATRA(Salamo 90–106)SALAMO Mandalo ny olona fa mitoetra Andriamanitra

1 Vavak’i Mosesy, olon’Andriamanitra.

Tompo ô, fialofanay hatrany hatrany Ianao.

2Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra,

tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao,

dia efa Andriamanitra Ianao

hatrizay ka ho mandrakizay.

3Averinao ho vovoka ny olona ka ilazanao hoe:

«Miverena amin’izay niavianareo, rey olombelona.»

4Fa eo imasonao ny arivo taona

dia toy ny andro omaly efa lasana

na ora vitsivitsy amin’ny alina.

5Farananao ny fiainan’ny olona

ka mihelina toa torimaso maraina;

tahaka ny ahitra maniry izy,

6ka mamony sy mandrobona nony maraina,

fa malazo sy maina nony hariva.

7Lanin’ny fahatezeranao izahay

ary tonafan’ny fahaviniranao.

8Napetrakao eo anatrehanao ny helokay;

na ny fahotanay miafina aza dia hitanao mazava.

9Noho ny haviniranao dia lasana ny androm-piainanay,

ka indray misento monja dia nifarana ny taonanay.

10Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany,

na valopolo taona ho an’izay matanjaka;

kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany.

Mandalo vetivety tokoa izany fiainana

ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.

11Iza no mahalala ny herin’ny fahatezeranao

ary hanaja Anao araka ny fahaviniranao?

12Ampahafantaro anay fa voaisa ny andronay

mba hahatonga anay hanana fisainana hendry.

13TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay?

Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.

14Fenoy ny fitiavanao izahay raha vao maraina,

dia hihoby sy hifaly amin’ny andro sisa iainanay.

15Aoka hampifalînao izahay

araka ny andro nampahorînao anay

sy araka ny taona nahitanay loza!

16Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso

ary ny voninahitrao ho tsapan’ny taranakay!

17Ry Tompo Andriamanitray ô,

aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao

ka ampahombiazo ny asan’ny tananay;

eny, ampahombiazo ny asan’ny tananay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help