Genesỳ 48 - Malagasy Bible

Nitsodrano ireo zanakalahin’i Jôsefa i Jakôba

1Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.

2Rehefa nampandrenesina i Jakôba fa tonga hamangy azy i Jôsefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy.

3Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa:

–Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy

4sady niteny tamiko hoe: «Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.»

5Hoy izy nanampy izany:

–Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.

6Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian’ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin’ny faritanin’ireo zokiny ihany no handraisan’izy roa lahy ny anjara lovany.

7Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny.

8Tamin’izay dia tazan’i Jakôba ireo zanakalahin’i Jôsefa ka nanontaniany hoe:

–Iza moa ireto?

9Hoy kosa ny navalin’i Jôsefa azy:

–Ireo no zanaka lahy izay nomen’Andriamanitra ahy teto Ejipta.

Ka hoy i Jakôba hoe:

–Mba ento eto anilako àry ireo, dia hotsofiko rano.

10Efa pahina ny mason’i Jakôba noho ny fahanterana ka tsy nahita loatra intsony; dia nampanatonin’i Jôsefa azy ireto zanany lahy. Ary namihina ireo i Jakôba sady nanoroka azy.

11Dia hoy izy tamin’i Jôsefa:

–Tsy nanantena hahita anao intsony aho, kanjo indro izao fa navelan’Andriamanitra hahita ny zanakao aza aho.

12Nanaisotra azy mirahalahy teo an-dohalik’i Jakôba i Jôsefa, dia niankohoka tamin’ny tany.

13Noraisiny tamin’ny tanany havanana i Efraîma ka narosony ho eo an-kavian’i Jakôba, ary noraisiny tamin’ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan’i Jakôba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy.

14Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.

15Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa:

Antsoiko Andriamanitra hitsodrano,

fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko

sy i Itsehàka raiko;

antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy

hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;

16antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy

tamin’ny loza rehetra;

dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto!

Ka amin’ny alalan’izy roa lahy

no hahatsiarovana ny anarako

mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko

sy i Itsehàka raiko!

Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!

17Hitan’i Jôsefa fa napetraky ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraîma ny tanany havanana ka tsy sitrany izany. Dia noraisiny ny tanan-drainy mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraîma hankeo amin’ny lohan’i Manase;

18sady hoy i Jôsefa tamin-drainy:

–Tsy izao no izy, ry dada; fa ity no lahimatoa, koa apetraho eo an-dohany ny tananao havanana.

19Fa nandà i Jakôba ka nanao hoe:

–Fantatro dia fantatro, anaka, fa ho tonga firenen-dehibe koa i Manase. Kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy, ary ny taranany dia ho firenena maro.

20Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao:

–Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!»

Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma.

21Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa:

–Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.

22Ary izaho manome anao zaratany iray fatratra kokoa noho ny an’ireo rahalahinao, dia ny faritr’i Sekema izay azoko tamin’ny sabatro sy ny tsipîkako teo an-tanan’ny Amôrita.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help