Jeremià 30 - Malagasy Bible

Teny fampanantenana momba ny fanjakan’i Israely

1Nisy baiko tamin’i Jeremià, dia baiko avy amin’ny TOMPO nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.

3Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»

4-5Izao no hafatra nampitain’ny TOMPO tamin’i Jeremià ho an’i Israely ary koa ho an’i Joda; eny, izao no lazain’ny TOMPO:

«Kiakiaka mahatsiravina no re,

horohoro tsy misy mampitony.

6Anontanio ka jereo

raha misy lehilahy mihetsi-jaza.

Ahoana àry Aho no mahita

ny lehilahy rehetra mitan-kibo

toy ny vehivavy mihetsi-jaza,

ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?

7Loza ity! fa andro mampahatahotra,

andro tsy misy toa azy;

vanim-potoana mahory

ho an’ny taranak’i Jakôba!

Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»

*

8«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,

9fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an’i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.»

*

10«Koa aza matahotra ianareo,

ry taranak’i Jakôba mpanompoko,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO;

aza kivy ianao, ry firenena Israely,

fa indro Aho hamonjy anao

avy any amin’ny faritany lavitra any;

indro Aho hamonjy ireo taranakareo

avy any amin’ny tany izay nahababo azy.

Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba,

ka hiadana sy handry feizay

fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

11Fa miaraka aminareo Aho,

mba hamonjy anareo;

teny hentitry avy amiko TOMPO izany.

Hofongorako ny firenen-kafa rehetra

izay nanelezako anareo;

ianareo kosa tsy mba hofongorako,

na dia tsy maintsy faiziko

araka ny hitsiny ihany aza

fa tsy havelako ho afa-maina.»

*

12Izao no lazain’ny Tompo:

«Tsy azom-panafana ny fahavoazanao,

tsy azo sitranina ny ratranao.

13Tsy misy olona mihevitra ny ferinao

ho mbola mety hotsaboina;

fa tsy misy fanafodiny intsony.

14Manadino anao avokoa ireo sakaizanao

ary tsy misy miahy anao mihitsy;

satria Izaho no nikapoka anao

toy ny fahavalo namely anao,

ka nofaiziko mafy ianao.

15Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao

sy ny fanaintainanao tsy azo tonena?

Ny halehiben’ny helokao

sy ny hamaroan’ny otanao

no nampiharako izany taminao.

16Nefa izay rehetra mandripaka anao

dia mba haripaka ihany koa;

izay rehetra mankahala anao

dia mba hatao sesitany ihany koa;

izay mamabo anao

dia mba hobaboina ihany koa;

ary izay rehetra mandroba ny fanananao

dia mba hatolotro horobaina ihany koa.

17Satria ireo efa niantso anao hoe:

«Ry ilay tsy misy ilana azy,»

«ry Tsiôna tsy misy miahy akory»,

koa hositraniko ny ratranao

ary hohamainiko ny ferinao;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.».

*

18Izao no lazain’ny TOMPO:

Indro hovako ny anjaranareo,

ry fianakavian’i Israely

ka hiantrako ny tokantranonareo.

Haorina indray eo amin’ny havoany.

ireo tanàn-dehibe tsirairay avy

ary eo amin’ny toerany taloha

ireo trano tsara tarehy.

19Re avy ao ny hira fiderana

sy ny horakora-pifaliana.

Tsy hihavitsy intsony ianareo,

ry taranak’i Jakôba,

fa hohamaroiko;

tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo,

fa horakofako voninahitra.

20Hanjary toy ny fahiny ianareo,

ry taranak’i Jakôba:

hotohizinareo indray

ny fivorianareo eo anatrehako,

ary hirotsaka an-tsehatra Aho

hamely ireo nampahory anareo.

21Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo

ary iray avy eto anivonareo ihany

no ho mpitarika anareo.

Havelako hanatona Ahy izy,

fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy

raha tsy nasaiko hanao izany,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

22Amin’izay dia ho vahoakako indray ianareo

ary Izaho ho Andriamanitrareo.»

*

23Indro tamy ny rambon-danitra,

dia ny fahatezeran’ny TOMPO.

Toy ny rivo-doza mitambolimbolina

no fiantontany eo an-dohan’ny olon-dratsy.

24Tsy hitsahatra mirehitra

ny fahatezeran’ny TOMPO,

raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka

izay fandaharan-javatra notapahiny.

Amin’ny andro any aoriana any

vao tena ho takatrareo izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help