Rota 3 - Malagasy Bible

Mangataka mba harovan’i Bôhaza sy hataony loloha i Rota

1Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota:

–Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.

2Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.

3Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

4Rehefa handeha handry izy, dia fantaro ny toerana izay handriany; ary mankanesa eo, ka sokafy kely ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo; fa izy mihitsy no hanoro anao izay hataonao.

5Dia hoy i Rota tamin’i Nahômỳ:

–Hataoko avokoa izay nolazainao tamiko.

6Dia nidina nankany am-pamoloana izy ary nanao araka izay rehetra nodidian-drafozany azy.

7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.

8Ary nony tamin’ny sasak’alina, dia taitra ralehilahy ary niondrika hijery, ka gaga dia gaga nahita vehivavy iray mandry eo an-tongony.

9Dia nanontany i Bôhaza hoe:

–Fa iza moa ianao?

Dia novaliany hoe:

–Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.

10Dia hoy i Bôhaza hoe:

–Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

11Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanàna, fa vehivavy mendri-kaja ianao.

12Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.

13Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.

14Dia natory teo an-tongotr’i Bôhaza ambara-paharainan’ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran’olona iny. I Bôhaza manko nanao anakampo hoe: «Tsy tokony hisy hahalala fa tonga tatỳ am-pamoloana ravehivavy!»;

15ka hoy izy tamin’i Rota:

–Ento etỳ iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin’i Bôhaza vary ôrza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanàna i Rota;

16ary nony tonga tany amin’ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe:

–Nanao ahoana ianao tany, anaka?

Dia notantarain’i Rota azy avokoa izay nataon’i Bôhaza taminy,

17sady niteny koa izy hoe:

–Nomeny ireto vary ôrza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko: «Aza miverina mitondra tanam-polo mody fotsiny any amin’ny rafozambavinao!»

18Dia hoy i Nahômỳ hoe:

–Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help