Isaià 46 - Malagasy Bible

Ny andriamani-tsiizin’i Babilôna mitaha amin’Andriamanitra marina

1Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao.

Napetraka teo ambony biby mpitondra entana

ny sarivongan’ireo andriamanitr’i Babilôna ireo;

izay filanja tamin’ny laharam-pihobiana

dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy,

ka mavesatra amin’ireto biby efa reraka.

2Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra

ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony:

na dia ny tenany aza lasan-ko babo.

3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba,

dia ianareo rehetra sisa velona

amin’ny taranak’i Israely,

ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka

sy notrotroiko raha vao teraka.

4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;

hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin’ny volonareo.

Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;

eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.

5Iza moa no ampitovinareo amiko

ary hanoharanareo Ahy?

Iza no hampifandanjanareo amiko

ka hahitana fifanahafana aminay?

6Misy olona mandanilany foana ny volany;

mandanja volamena sy volafotsy amin’ny mizana izy,

dia manarama olona mpanefy firavaka

mba hamboatra ireny ho andriamanitra

izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.

7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny

sy mitondra azy eny an-tsoroka

sady mametraka azy eo amin’ny toerany,

dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.

Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly

sady tsy mahavonjy amin’ny fahoriana.

Tsy lavitra ny fanafahana

8Ry mpikomy, izao no tsarovy

ka ento manovo hery indray

ary diniho tsara ao am-ponareo.

9Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo:

Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa.

Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa

na inona na inona ampitahaina amiko.

10Efa hatrany am-piandohana no nilazako

ny zavatra hitranga atỳ aoriana;

ary efa hatry ny ela be no nilazako

ny zavatra tsy mbola niseho.

Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko,

dia ho tanteraka hatrany;

ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»

11Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana,

avy any an-tany lavitra any,

no niantsoako ilay lehilahy

izay hanatanteraka ny fikasàko.

Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko,

fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.

12Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo

izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:

13Hampanatoniko ny fanafahako

fa tsy ho lavitra intsony.

Tsy hitaraiky intsony ny famonjena,

fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna;

eny, zavatra mamirapiratra

no homeko an’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help