Josoa 1 - Malagasy Bible

I Josoa no mandimby an’i Mosesy(Jereo Deot 31.1-8, 14, 23; Jos 22.1-9)

1Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:

2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita.

3Araka izay efa nampanantenaiko an’i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo.

4Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.

6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.

7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.

8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.

9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.

Manomana ny fitàna an’i Jôrdàna i Josoa

10Ary nandidy ireo mpifehy vahoaka i Josoa ka nanao hoe:

11–Ndeha mitety ny toby ka mandidia ny vahoaka hoe: «Manamboara vatsy ho anareo; fa, raha afaka telo andro, dia hiampita an’ity Jôrdàna ity ianareo mba hiditra haka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo».

12Avy eo dia ny lehilahy ao amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase no nilazan’i Josoa hoe:

13–Tsarovy ny teny izany nampitain’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO anareo fony izy nanao hoe: «Omen’ny TOMPO Andriamanitrareo toeram-ponenana eto ianareo ka tolorany ity tany andafy atsinanan’i Jôrdàna ity.»

14Ny vady aman-janakareo ary ny biby fiompinareo dia mahazo mijanona eto amin’ity tany izay nomen’i Mosesy anareo ity. Fa ianareo vatan-dehilahy matanjaka rehetra mirongo fiadiana kosa dia hiampita hialoha ny mpiray firenena aminareo; ary hanampy azy ianareo

15ambara-panomen’ny TOMPO azy toerana tahaka izay efa natao taminareo, ka hahazoan’ireo koa ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andrefan’i Jôrdàna. Aorian’izany vao hiverina ianareo mba hizaka ny taninareo ety andafy atsinanan’i Jôrdàna, tany izay nomen’i Mosesy mpanompon’ny Tompo anareo.

16Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe:

–Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.

17Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy.

18Ary na iza na iza mikomy aminao ka mandà tsy hankatò ny baikonao, dia hatao maty. Eny, aoka ho sahy sy hahery ianao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help