1Henoy izao, ry mpisorona
sy ianareo mpitondra israelita,
ary atongilano ny sofinareo,
ry fianakavian’ny mpanjaka:
Hihatra aminareo izao ny fitsarana,
fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo
sy harato voavelatra tao Tabôra,
2ary lavaka lalina tao Setima.
«Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO,
hanome famaizana ho anareo rehetra.
3Izaho dia mahalala an’i Efraîma,
ary tsy takona amiko i Israely;
satria ianao, ry Efraîma,
efa tonga mpivarotena ankehitriny,
ka voaloto noho izany i Israely.»
4Fa tsy mamela azy hiverina
amin’Andriamaniny
ny asa nataon’ny Israelita.
Rivotry ny fivarotan-tena
no mitsoka ao aminy
ka tsy mahalala ny TOMPO izy.
5Vavolombelona manameloka azy
ny avonavon’i Israely.
Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma
ka lavo miaraka aminy koa i Joda.
6Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy
no tonga hitady ny TOMPO
nefa tsy hahita Azy;
fa efa nanalavitra azy ireo Izy.
7Namadika ny TOMPO izy
fa niteraka zazasary.
Ankehitriny, iray volana latsaka
dia ho levona izy mbamin’ny fananany.
Ny adin’i Israely sy i Joda8Tsofy ao Gibehà ny anjomara
ary tsofy ao Ramà ny trompetra.
Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana.
Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!
9Ho tonga taniefitra i Efraîma
amin’ny andro famaizana;
zavatra tsy maintsy ho to no ambarako
amin’ireo fokon’i Israely.
10Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany
ireo mpifehy an’i Joda;
ka hataoko mandriaka aminy
ny fahatezerako.
11Ampahorîna i Efraîma,
voahitsakitsaka ny zony
satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.
12Ho toy ny fositra Aho amin’i Efraîma
ary ho toy ny olitra amin’ny taranak’i Joda.
13Hitan’i Efraîma ny aretiny
ary tsapan’i Joda ny feriny;
ka nankany amin’i Asiria i Efraîma
ary nandefa iraka
tany amin’ilay mpanjaka lehibe;
nefa tsy nahasitrana anareo izy
sady tsy nahafaka ny ferinareo,
ry olon’i Efraîma.
14Vao mainka aza Izaho TOMPO
ho tahaka ny liona mamely anareo
ary ho toy ny liona tanora
hamely ny taranak’i Joda.
Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko,
ka handeha hitondra azy
ary tsy hisy haharombaka azy amiko.
Fiverenana indray amin’Andriamanitra15Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO,
mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda
ho diso ka hitadiavany ny tavako.
Rehefa azom-pahoriana mafy izy,
dia hikatsaka Ahy fatratra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.