Isaià 22 - Malagasy Bible

Fampitandremana an’i Jerosalema

1Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana.

Fa inona ity mahazo anareo

no miakatra eny an-tampon-trano,

ry mponin’i Jerosalema?

2Nahoana no maresaka be ny tanàna

ary feno antsoantso sy tabataba?

Tsy matin-tsabatra anefa ireo maty eo aminao

ary tsy maty novonoina tamin’ny ady.

3Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao,

azo babo noho ny tifitra tsipîka izy.

Nataon’ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany,

hatramin’ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza.

4Izany no itenenako aminareo hoe:

«Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy.

Aza misahirana mampionona ahy akory

noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.

5Satria amin’ity andro anio ity

ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

no mandefa fisavoritahana sy faharesena

ary fahaverezan-kevitra ho antsika.»

Rava ny manda eo amin’ny lohasahan’ny fahitana

ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy!

6Mitondra tsipîka sy zana-tsipîka ny Helamita,

sady mitaingina kalesy sy soavaly;

ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.

7Feno kalesy sy soavaly, ry Jerosalema,

ny lohasahanao tsara indrindra;

milahatra eo am-bavahadinao ireny,

8ka tsy misy fiarovana ho an’i Joda intsony.

Tamin’izany andro izany, dia nojerenareo

ny fitaovam-piadiana napetraka hitoby

tao amin’ilay trano antsoina hoe «Lapan’ny Ala»,

9ary hitanareo ny banga maro

amin’ny mandan’ny tanànan’i Davida.

Tao amin’ny fitobian-drano ambany

no namorianareo rano.

10Nisainareo ny trano tao Jerosalema

ka noravanareo ny sasany

mba hahamora ny hiarovana ny manda.

11Nanamboatra dobon-drano

teo anelanelan’ny manda roa ianareo

mba halehan’ny rano mihoatra

avy amin’ny fitobian-drano taloha.

Nefa tsy mba nojerenareo akory

Ilay nanao izao toe-javatra izao;

efa nanomana izao hatry ny ela Izy

saingy tsy hitanareo.

12Tamin’izany andro izany dia niantso anareo

ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

mba hitomany sy hitoloko,

hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.

13Kanjo fifaliam-be no nataonareo:

novonoina ny omby sy ny ondry

ka fihinanan-kena sy fisotroan-divay moa izao!

«Andeha isika hihinana sy hisotro

fa rahampitso dia ho faty, hoy ianareo.»

14Koa ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia mampandre ahy ny hafatra hoe:

«Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo

dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany.

Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

no efa niteny.»

Fanesorana an’i Sebnà amin’ny toerany

15Izao no voalazan’ny Tompo

ANDRIAMANITR’izao rehetra izao:

«Ndeha mankany amin’i Sebnà,

mpanolotsain’ny mpanjaka

sady lehiben’ny lapa

ka mitenena aminy hoe:

16–Inona no anao atỳ ary inonao no atỳ,

no mampandoaka ny fasana hilevenanao

etỳ amin’ny havoana etỳ ianao

ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay

etỳ amin’ny harambato etỳ?

17Indro ny TOMPO hamely anao

indray mipaoka monja, rangahy,

dia hataony an-kitapo ianao

18sy hahorony toy ny bolabolan-javatra

ka hakodiadiany ho any amin’ny tany anankiray

izay misy faritra malalaka.

Any no hahafaty ny tenanao

mbamin’ny kalesim-boninahitrao,

ry ilay manala baràka ny ao an-tranon’ny tomponao.

19Horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao

ary hoesoriko amin’ny andraikitrao.

20Amin’izany andro izany,

dia hantsoiko i Eliakima,

zanakalahin’i Hilkià mpanompoko,

21ka hampitafiako ny akanjonao,

sy hampietràko ny fehikibonao

ary hotolorako ny fahefànao.

Ho an’ny mponin’i Jerosalema

sy ny fanjakan’i Joda

dia hanjary ray i Eliakima.

22Hapetrako eo an-tsorony

ny fanalahidin’ny lapan’i Davida;

ka raha hamoha varavarana izy

dia tsy hisy hanidy,

ary raha hanidy izy

dia tsy hisy hamoha.

23Halentiko toy ny tsatòka

eo amin’ny toerana mafy izy,

ka ho tonga anaram-boninahitra

ho an’ny fianakavian-drainy.»

24Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray.

25«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hiletsy ilay tsatòka natsatoka teo amin’ny toerana mafy; hiala izy ka hianjera, ary ho vaky avokoa ireo entana rehetra nahantona teo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help