Salamo 75 - Malagasy Bible

SALAMO Andriamanitra no mpitsara

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe: «Aza ravana...

». Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.

2Andriamanitra ô, midera Anao izahay;

eny, midera Anao tokoa izahay.

Ataonay antso avo ny lazanao

ary tantarainay ny zava-mahagaga vitanao.

3Hoy ny Tompo hoe: «Amin’ny fotoana hotondroiko

dia hanao fitsarana araka ny hitsiny Aho.

4Hihorohoro ny tany mbamin’ireo mponina eo aminy,

nefa Izaho mbola hihazona ny andry iorenany.»

Fiatoana

5Hoy aho aminareo mpirehareha hoe:

«Aoka izay ny fireharehànareo!»;

ary aminareo olon-dratsy hoe:

«Aza miandranandrana intsony!

6Eny, aza miandranandrana intsony;

aza mafy hatoka miteniteny foana.

7Fantaro fa ny didim-pitsarana havoaka

dia tsy avy any atsinanana na avy any andrefana,

tsy avy any avaratra na avy any atsimo;

8satria Andriamanitra no mpitsara,

ka mampietry ny sasany Izy

ary manandratra ny hafa kosa.»

9Misy tsangambava iray eo an-tanan’ny TOMPO,

dia tsangambava feno divay mifangaroharo

izay tandindon’ny hatezerany mandroatra.

Asainy sotroin’ny olon-dratsy rehetra amin’ny tany izany

ka tsy maintsy trohin’ireo hatramin’ny faikany.

10Izaho kosa tsy hitsahatra hanambara izany,

ka dia ilay Andriamanitr’i Jakôba

no hankalazaiko amin-kira hoe:

11«Hopotehiny avokoa ny fahefàn’ny olon-dratsy

fa hasandrany kosa ny fahefàn’ny olo-marina.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help