Salamo 149 - Malagasy Bible

SALAMO Ny reharehan’ny mpivavaka

1 Haleloià!

Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO ianareo.

Hidera Azy anie ny fiangonan’ny mpivavaka!

2Hifaly anie ny vahoaka Israely,

fa ny Tompo no Mpanao azy;

hiravo anie ny terak’i Tsiôna,

fa Izy no mpanjakany!

3Hoderaina amin-dihy anie ny anaran’ny Tompo,

ka hankalazaina amin’amponga sy lokanga

4fa sitraky ny TOMPO ny vahoakany

sady ravahany fandresena ny ory!

5Ny mpivavaka anie hientanentana

hanome voninahitrav ny Tompo;

hanao hobin-kafaliana anie ireo

na dia mandritra ny alina aza,

6ka am-bava hanandratra an’Andriamanitra,

an-tanana hanainga sabatra roa lela!

7Ny mamaly faty an’ireo hafa firenena

sy manao famaizana ny vahoakany,

8ny mamatotra ireo mpanjakany

sy managadra ireo mpifehy azy,

9ary ny mampihatra amin’ireny

ny fitsarana voarakitra an-tsoratra:

izany sy izany no zavatra ireharehana

ho an’izay rehetra mpivavaka amin’ny Tompo.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help