Salamo 56 - Malagasy Bible

SALAMO Olona enjehina mitoky amin’Andriamanitra

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Voromahailala gina any an-tany lavitra.» Salamo nataon’i Davida, fony izy voasambotry ny Filistinina tao Gata

.

2Iantrao aho, Andriamanitra ô, fa enjehina;

tontolo andro aho iadiana sy ampahorîna,

3tontolo andro enjehin’ny mpandrafy ahy,

fa maro tokoa ireo no mirehareha miady amiko.

4Kanefa amin’ny andro atahorako,

Ianao, ry ilay Avo, no itokiako.

5Deraiko Andriamanitra noho ny teniny;

Izy no itokiako ka afa-tahotra aho.

Inona no ho vitan’izay olona osa amiko?

6Ny hampahory ahy no resahina tontolo andro,

ny hanisy ratsy ahy ihany no heverin’ireo.

7Mivorivory izy, dia miery mitsongo dia

satria ny hahafaty ahy no kendreny.

8Valio araka ny haratsiany izy, Andriamanitra ô,

aripaho amin-katezerana ireo olona ireo.

9Ny nirenireneko efa voasoratrao ho ao anaty bokinao;

angony koa ny ranomasoko ho ao anaty sinikelinao.

10Andriamanitra ô, amin’ny andro iantsoako Anao,

dia hiamboho ireo fahavaloko ka hitsoaka;

satria fantatro tokoa

fa Ianao no momba ahy.

11Deraiko Andriamanitra noho ny teniny;

eny, deraiko Izy TOMPO noho ny teniny.

12Izy no itokiako ka afa-tahotra aho.

Inona no ho vitan’izay olona osa amiko?

13Andriamanitra ô, nanao voady taminao aho

ka hanefa sorom-pisaorana ho Anao,

14satria narovanao tsy ho faty aho.

Eny, Andriamanitra ô, nambenanao aho

mba tsy ho solafa-mamindra

ka hizotra eo anoloanao,

anatin’ny hazavana mahavelona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help