Hamôsa 5 - Malagasy Bible

Hira fisaonana ho an’i Israely

1Ry taranak’i Israely,

henoinareo izao teniko izao,

dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:

2Tahaka ny tovovavy maty i Israely,

ka potraka tsy mahatsangana intsony;

miampatra eo amin’ny taniny izy,

fa tsy misy manarina.

3Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY

ny amin’ny vahoakan’i Israely:

Misy tanàna mamoaka miaramila arivo hiantafika,

kanefa zato no sisa hiverina;

Misy tanàna mamoaka miaramila zato hiantafika,

kanefa folo no sisa hiverina.

Antsoina hiala amin’ny toe-dratsy i Israely

4Izao no lazain’ny TOMPO

amin’ny vahoakan’i Israely:

«Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.

5Fa aza mitady Ahy any Betela,

aza miditra ao Gilgala,

ary aza mankany Beera-Seba;

satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala,

ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona.»

6Tadiavo ny TOMPO, dia ho velona ianareo.

Fa raha tsy mitady Azy ianareo, ry taranak’i Jôsefa,

dia hilatsaka aminareo tahaka ny afo Izy

ka handevona an’i Betela,

ary tsy hisy olona hahafaty ny afo.

7Ianareo no mamadika ny rariny

ho zava-mahafaty

ary mampitsingidina ny fahamarinana amin’ny tany.

8Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona

sy ny kintana Telonohorefy,

manova ny haizim-pito ho maraina

sy manamaizina ny andro ho alina,

miantso ny rano any an-dranomasina

sy manapariaka azy eny ambonin’ny tany,

dia ny TOMPO no anarany.

9Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery,

ka iharan’ny fandravana tokoa ny tanàna mimanda.

10Halanareo ny olona mananatra eo amin’ny fitsarana

ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.

11Nohosihosenareo ny malahelo

ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy.

Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato

voapaika nataonareo ianareo,

ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.

12Hoy koa ny Tompo hoe:

«Fantatro fa marobe ireo helokareo

ary mahatsiravina ireo fahotanareo;

ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina,

ka manodinkodina ny zon’ny mahantra

eo amin’ny fitsarana,»

13Noho izany, dia mangina ny olon-kendry

amin’izao fotoana izao

satria fotoana ratsy izao.

14Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy,

mba ho velona ianareo;

amin’izay ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao

dia hiaraka aminareo araka ny lazainareo.

15Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara,

ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny;

Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao

hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.

16Koa izao no lazain’ny TOMPO,

ilay Andriamanitr’izao rehetra izao sady Tompoko:

«Eny an-kalamanjana rehetra

dia hisy tomanim-pisaonana;

ary eny amin’ny arabe rehetra

dia hisy hanao hoe: ‹Indrisy! Indrisy!›

Ny mpamboly koa hantsoina hiaraka ory;

ary ireo mpiantsa fahoriana hanao hiram-pisaonana.

17Any amin’ny tanimboaloboka rehetra

dia hisy tomanim-pisaonana,

satria handalo ao aminareo Aho.

Izaho TOMPO no miteny.»

Ny andro hamaizan’ny Tompo ireo fahavalo

18Lozan’izay miandrandra ny androm-pamaizan’ny TOMPO!

Fa ho inona moa aminareo io androm-pamaizan’ny TOMPO io?

Ho andro maizim-panahiana izany fa tsy hamiratan-tsoa,

19toy ny amin’ny olona mandositra liona

kanefa mifanehatra amin’ny orsa;

na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano

sy mitehina amin’ny rindrina,

kanefa kaikerin’ny menarana.

20Moa hamiratan-tsoa ve ny androm-pamaizan’ny TOMPO?

Tsia, fa ho andro maizim-panahiana izany,

ho andro maizina tsy misy mangirana mihitsy.

Fotoam-pivavahana tsy sitraky ny Tompo

21«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo;

ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.

22Na dia anateranareo sorona dorana manontolo

sy fanatitra hohanina aza Aho,

dia tsy hankasitrahiko izany;

ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy

aterinareo ho sorom-pihavanana.

23Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo;

tsy tiako hohenoina ny feon-dokanganareo.

24Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano

ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!

25Ry taranak’i Israely,

moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo

nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?

26Ary nentinareo ve ny sarin’i Sikota, ilay sampy mpanjakanareo,

sy ny sarin’i Kiona, ilay kintana andriamanitrareo,

izay samy sary nataonareo ho anareo? Tsia!

27Koa halefako ho babo any ambadika lavitr’i Damasy ianareo.

Izaho TOMPO no miteny izany;

ilay Andriamanitr’izao rehetra izao no anarako.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help