1Ireto no anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba na Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin’ny rainy, samy nombàm-bady aman-janaka:
2Reobèna, Simehôna, Levỳ, Joda,
3Jisakara, Zebolòna, Benjamîna,
4Dana, Naftalỳ, Gada ary Asera.
5Miisa fitopolo izy rehetra taranak’i Jakôba, fa i Jôsefa dia efa tany Ejipta rahateo.
6Tatỳ aoriana dia maty i Jôsefa sy ireo rahalahiny ary ny taranaka indray nihira taminy.
7Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
8Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.
9Hoy izy tamin’ny vahoakany:
–Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika.
10Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.
11Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao
.12Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.
13Nampanompoin’ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita
14sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
Enjehin’ny Farao ny Israelita15Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta,
16ka nanao hoe:
–Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.
17Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona.
18Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe:
–Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?
19Fa namaly ireo mpampivelona hoe:
–Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.
20Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,
21ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.
22Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe:
–Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.