Salamo 124 - Malagasy Bible

SALAMO Raha tsy ny Tompo no nomba antsika...

1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika...

–Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2«Raha tsy ny TOMPO no momba antsika

tamin’ny namelezan’ny olona antsika,

3dia ho nateliny velona tokoa isika

satria nirehitra loatra ny havinirany;

4eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo,

ho toy ny riaka nanafotra antsika,

5ho toy ny rano misamboaravoara

nanafotra antsika.»

6Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika

horotidrotehin’ny vangin’ireo!

7Toy ny fody afa-pandrika harato isika:

rovitra ny harato, ka afaka isika!

8Ny famonjena antsika dia ny anaran’ny TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help