Isaià 14 - Malagasy Bible

Ny fiverenan’ireo babo

1Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.

2Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.

Ny fiafaran’ny mpanjakan’i Babilôna

3Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,

4dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao:

Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka

ary koa niafaran’ny famoretany!

5Nopotehin’ny TOMPO ny fahefana mandoza,

dia ny tehin’ilay mpanjakazaka,

6izay nikapoka ny vahoaka tamim-pahavinirana;

nikapoka azy tsy an-kiato izy

ka namolaka azy tamim-pahatezerana

sady nanenjika azy tsy nisy indrafo.

7Mandry fahalemana ny tany tontolo

ka velon-kiram-pihobiana ny olona.

8Ny kipreso sy ny sederan’i Libano koa,

noho izao manjo ilay mpanjakazaka izao,

dia samy faly ka nanao hoe:

«Hatrizay nahafatesanao izay,

dia tsy nisy niakatra hanjera anay intsony.»

9Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka,

ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any.

Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa,

dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany.

Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany

ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.

10Samy hiteny izy rehetra ka hanao aminao hoe:

«Ianao koa hay malemy tahaka anay,

efa tonga mitovy aminay!»

11Atỳ amin’ny fonenan’ny maty atỳ

no navarina ny fireharehànao

niaraka tamin’ny feom-balihanao.

Kankana no ho kidoronao

ary olitra no ho firakotrao.

12Fa nahoana ianao no latsaka

avy any an-danitra ambony any,

ry ilay kintana mamirapiratra

toy ny kintana fitarikandro!

Nazera amin’ny tany ianao ity,

ry ilay nandresy firenena maro!

13Fa hoy ianao anakampo hoe:

«Hiakatra any an-danitra any aho

ka hametraka ny sezafiandrianako

ho avo noho ny kintan’Andriamanitra;

dia eo amin’ilay tendrombohitra fivoriana,

izay any am-parany avaratra, no hipetrahako.

14Hiakatra eny an-tampon’ny rahona aho

ka hitovy amin’Andriamanitra Avo Indrindra.»

15Kanjo any amin’ny fonenan’ny maty,

any amin’ny fanambanin’ny lavaka,

no tsy maintsy nidinanao.

16Izay mahita anao any dia hibanjina anao,

sy handinika anao fatratra ka hanao hoe:

«Ity tokoa ve ilay lehilahy

izay nampihorohoro ny tany

sy nandrodana fanjakana maro,

17nanova izao tontolo izao ho taniefitra

fa sady nandrava tanàna

no tsy nandefa ireo gadra hody!»

18Ny mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay

dia samy mandry amim-boninahitra ao am-pasany avy.

19Ianao kosa dia nariana ivelan’ny fasanao

toy ny zaza rano maharikoriko;

tahaka ny razana voahitsakitsaka ianao,

fa olona voavono ho faty no manindry anao,

dia ireo olona voatrobaky ny sabatra.

Ka naidina eo ambony lampivato ao am-pasana ireny,

20nefa tsy mba halevina miaraka aminy ianao

satria nanimba ny taninao

sady namono ny vahoakanao.

Tsy ho voatonona mandrakizay

ny anaran’ny taranakao mpanao ratsy.

21Miomàna handringana ny zanany ianareo

noho ny heloka bevava nataon’ny rainy,

fandrao hitsangana haka ny tany indray ireny

ka handrakotra tanàna an’izao tontolo izao.

22«Hitsangana hamely ny Babilônianina Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao; hofoanako ny anaran’i Babilôna sy ny dindony mbamin’ny zanany sy ny taranany rehetra.

23Fa hataoko tonga honahona fonenan-tsokina izy, hofafako amin’ny kifafa i Babilôna ka ho levona, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.

Mifarana ny famoretana rehetra

24Ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia efa nanao fianianana hoe:

«Izay noheveriko no ho tonga,

izay notapahiko no hiseho.

25Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina,

eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy.

Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako,

hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»

26Fanapahan-kevitry ny TOMPO

ho an’ny tany tontolo izany,

ary hinji-tanana fandrahonana

ataony amin’ny firenena rehetra.

27Rehefa nanapa-kevitra ny TOMPOn’izao rehetra izao,

iza no hahafoana izany?

Rehefa naninji-tanana handrahona Izy,

iza no hampihemotra izany?

Fampitandremana ny Filistinina

28Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao hafatra izao:

29Aza mifaly ambony ihany ianareo,

ry Filistinina rehetra,

na dia tapaka aza ny tsorakazo

izay nikapohana anareo,

satria hisy menarana hipoitra

avy amin’ny fatin’ny bibilava

ary hisy dragona manidina hipoitra

avy amin’ny atodin’ny menarana.

30Ireo olona faran’izay fadiranovana

dia ho tahaka ny ondrikely miraotra,

ary ireo mahantra hiadana sy handry feizay;

fa hataon’ny fahavalo matin-kanoanana

hatrany ifotony kosa ianao, ry Filistia,

ary izay sisa ao aminao dia haringana.

31Midradradradrà, ry tanàna mimanda,

ka manaova antsoantsom-pitarainana.

Ketraka ny Filistinina rehetra,

fa misy setroka miakatra avy any avaratra;

tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.

32Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina?

–Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna

ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help